This post is also available in: English French

Nandritra ny folo taona farany teo, nalaky ny fitombon’ny isan’ireo mpanjono any amin’ny helidranon’i Tsimipaika, any avaratra-andrefan’i Madagasikara, noho ny fitomboan’ny mpifindra monina avy any amin’ireo faritry ny nosy tsy dia mamokatra amin’ny jono. Saingy misy sarany izany : tapaka ny ala honko mba hamokarana arina fandrehitra, ary mihena ny isan’ny drakaka sy makamba ary mahaloky.

Ny taona 2018, niara-nanapaka lamin’asam-pitantanana momba ny jono ireo fokonolona ao Tsimipaika mba hiarovana ny rohivoara ao aminy sy hitandroana ny antom-pivelomany. Noho izany, nifantoka tamin’ny fampihatoana vonjimaika sy ny fanaovana tahirin-jono maharitra ny ezaka, ary koa ny fiarovana sy ny famerenana ny ala honko, ary ny fanajana ny haben’ny drakaka azo samborina.

Any afovoan’ny helidrano, ao an-tanànan’Ambolikapiky, niditra ho mpikambana amin’ny fikambanam-pitantanana ifotony Ramatoa Véronique sy Franklin Velotody, izay fantatra amin’ny anarana hoe Vondron’Olona Ifotony (VOI) Miezaka. Nanazava taminay ireo vahaolana ifotona napetraka izy ireo mba hitandroana ny rohivoary an-dranomasina sy ny fiveloman’ny fokonolona ao aminy.

A map of Tsimipaika Bay | Photo: Blue Ventures


Franklin Velotody | Photo: Emilien Razafindrakoto

“Franklin Velotody no anarako. Mpanjono drakaka aho ary mpikambana anatin’ny VOI Miezaka. Mba hiarovana ny tahirina drakaka aty aminay, dia misy habeny tsy maintsy hajaina. Ao Ambolikapiky, nampita izany tamin’ny tanàna iray manontolo ny VOI sy ireo andrimasom-pokonolona, ary ankehitriny dia hentitra izy ireo amin’ny fampiharana ny dina [lalànam-piaraha-monina]. Ny ankamaroan’ireo mpanjono dia tsy misambotra intsony ireo drakaka latsaky ny 11sm – hitako izany, satria izaho koa mpanangona antontan-kevitra.

Amin’ny maha-mpanjono ahy dia mampiasa ny garigary aho izao. Fitaovam-panjonoana maharitra izany, ahafahana misambotra drakaka maherin’ny 12sm, tsara kalitao. Nianatra nanamboatra sy nampiasa ny garigary niaraka tamin’ireo mpanjono efa mpampiasa izany aho, ary nampianatra ireo mpanjono hafa ao amin’ny tanàna misy ahy mba hampiasa izany koa.

Ambolikapiky dia iray amin’ireo tanàna efatra ao amin’ny helidrano nametraka rezerva drakaka maharitra, toerana afaka hanatodizan’ny drakaka sy hitomboany. Izany dia mampitombo ny taha mety hanjonoana drakaka eo akaiky eo ! Ny olana dia indraindray mbola misy mpanjono avy amin’ny tanàna hafa tonga manjono ety. Mila tohizana ny fanentanana ny mponina momba ny toerana misy ny tahiry maharitra sy ny anjara asan’izany.

Ireo mpanjono aty amin’ny tanànanay dia manaja tsara ny fotoam-pikatonan’ny fanjonoana mahaloky. Fantany fa izany fikatonana mandritry ny efa-bolana izany dia ahafahan’ny trondro mihamaro, ary rehefa misokatra indray ny jono, dia hahazo trondro maro kokoa izy. Mandritra ny fikatonana dia mbola afaka manjono makamban-dranomasina sy an-dranomamy ary trondro any amin’ny ala honko izy ireo.

Napetraka ihany koa ireo vondron-tahirim-pokonolona. Mandritra ny fotoam-pikatonan’ny jono dia afaka mindram-bola ao amin’ny tahiry izahay. Rehefa misokatra ny jono dia averina ny vola. Afaka manana tahirim-bola ihany koa izahay noho ireny vondrona ireny.

Nanentana ny tanàna ihany koa ny VOI momba ny lanjan’ny fambolen-kazo sy ny famerenana ny ala honko. EFa hita taratra ny vokatr’izany : maniry tsara izy ireo ! Saika niverina ho maitso avokoa ireo tany ngazana rehetra navelan’ny fanapahana tsy ara-dalàna ny hazo sy ny famokarana arina. Koa satria efa miverina maniry ny ala honko, manantena aho fa hiverina ho toy ny taloha ihany koa ny hamaroan’ny drakaka sy ny makamba.

Tena niova tokoa ny zava-drehetra rehefa nampiasa ny garigary, ny tahiry maharitra, ny fikatonan’ny fanjonoana drakaka ary indrindra ny fanaovan’ny VOI fanaraha-maso. Taloha aho tsy nahazo afa-tsy drakaka telo isan’andro. Izao aho mahazo fito, sady vaventy avokoa izy rehetra !”


Madame Veronique (right in navy top) | Photo: Blue Ventures

“Véronique no anarako. Mitàna hotely kely ao Ambolikapiky aho ary mamboly vary. Mandray anjara anatin’ny VOI Miezaka ihany koa aho. Tamin’ny 2019, niara-niasa tamin’ny VOI rahavavy ao Ampanakana izahay ka nahasambotra mpividy ambongadina teo am-panangonana drakaka nandritra ny fotoam-pikatonana. Nampahafantatra izany tamin’ny Sampana misahana ny Jono izahay, ka tonga teny an-toerana izy ireo ary nandrisika anay hampihatra ny dina. Navotsotra tanaty ala honko avokoa ireo drakaka voasambotra. Fahombiazana lehibe izany ho anay : teo imason’ny fokonolona iray manontolo, marika izany fa miara-miasa ireo VOI ary manohana anay ny Sampana misahana ny Jono.

Raha ny marina dia mbola misy ireo mpanjono tsy manaja ny haben’ny drakaka azo samborina. Rehefa mihena ny fanaraha-maso dia misambotra drakaka kely ireo mpanjono satria misy mpanangom-bokatra ao Ambanja mbola mividy azy ireny. Saingy noho ny fampiasana ny garigary dia manomboka miova ny zava-misy. Tsy mirenireny eny an’ala honko mandritra ny ora maro intsony ny mpanjono raha hitady drakaka amin’ny habeny rehetra, fa maka sambo mba ametrahana sy hakana ny garigary, ary ireo drakaka vaventy tsara kalitao ihany no samboriny, izay tsara vidy no sady tsy mandany hery sy fotoana.

Samy efa nametraka rezerva drakaka maharitra Ambolikapiky sy ny tanàna telo hafa mba hiarovana ity karazam-biby ity. Mbola vitsy anefa ireo mpanao andrimaso miambina isanandro, hany ka na dia eo aza ny ezaka atao dia mbola misy ireo mpanjono miditra an-tsokosoko manjono anatin’ny tahiry. Fanatsarana iray mila atao ny fapitomboana ny isan’ireo mpanao andrimaso.

Noho izany sy noho ny antony maro hafa, dia mila vola ny fikambanana. Kanefa efa sarotra ho an’ireo mpikambana sasany ny mandoa ny latsakemboka 2000 ariary (0,44 €) isan-taona. Noho izany dia nampahafantarinay ireo mpikambana anatin’ireo vondron-tahirim-pokonolona 11 ny andraikitry ny VOI, ka mandoa latsakemboka koa izy ireo ankehitriny. Etsy an-kilany, ny VOI dia namolavola laminasa mandavan-taona mba ahafantaran’ireo vondron-tahiry ny fampiasana ny volany. Manampy betsaka amin’ny fitantanana ny jono aty aminay izany !

Mahaleo tena kokoa ny VOI amin’ny fanakaramana ireo mpanao andrimasom-pokonolona – tamin’ity taona ity dia nandrotsaka 570 000 ariary (125 €) ho azy, ireo vondron-tahiry – ary entanina hampiasa ireo fomba fanjonoana maharitra ireo mpanjono mpikambana anatin’ny vondron-tahiry. Nahafahana nanitatra ny fanohanana ny VOI teo anivon’ny tanàna koa izany, satria lasa mpikambana anatin’ny VOI avokoa ny mpikambana anatin’ireo vondron-tahiry rehetra.

Amin’izao fotoana, maro ireo olona resy lahatra fa lova mila arovana ny ala honko, ary misy voka-tsoa amin’ny jono sy ny fidiram-bola ny fambolena izany. Koa hirotsaka tanteraka anatin’ny fambolen-kazo izy ireo. Mora kokoa ny fikarakarana ireo fotoam-pambolen-kazo hatramin’ny nisian’ny mpitarika avy amin’ny fiaraha-monina manohana ireo vondrom-piaraha-monina tsirairay aty an-tanàna [fikambanam-behivavy, vondron-tahiry, mpianatra…] amin’ny fandaharana ny fotoana sy ny fanomanana ireo voan-konko na “propagules”. Mahafaly ireo mpandray anjara ny mitsidika ny toerana namboleny sy ny mamantatra ny isan’ireo voa nafafiny isaky ny mifarana ny fotoana.

Nikarakara fivoriam-pokonolona maromaro ireo mpikambana anatin’ny VOI, mba ahafantaran’ny tsirairay ny momba ny dina mifehy ny ala honko. Natoro azy ireo ny toerana misy ireo tahiry maharitra, ireo faritra fambolen-kazo ary ireo faritra azon’ny fokonolona ampiasaina. Nohazavaina tamin’ny tsirairay ny fomba fangatahana alalana hanapaka hazo any amin’ireo faritra azo ampiasaina. Nanampy betsaka anay ireny faritra ireny, satria ahafahana mampiasa ireo harena voajanahary amin’izay ilàna azy fa amin’ny fomba maharitra, toy ny fanapahana hazo ho an’ny fananganana isan-karazany. Nandritra ireo fivoriana dia nohazavaina ihany koa ireo tsy azo atao any amin’ny faritra tsirairay avy ary nandamina andrimaso isan-kerinandro izahay ; na dia mbola tsy ampy ary ny isan’ireo mpanao andrimaso, dia efa nihena tokoa ireo fandikan-dalàna mifandray amin’ny fanapahan-kazo an-tsokosoko !

Manana fikambanana ala honko izahay, sahanin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo ao an-tanàna, izay toerana ahafahan’ireo ankizy mianatra ny lanjan’ny ala honko sy ny anjara asany amin’ny jono. Anatin’izany izy ireo dia efa miomana hanohy izay natombokay lehibe.

Tamin’ny septambra 2021, nitana ny laharana voalohany ny VOI Miezaka tamin’ny fifaninanana « Fagnoesa » mikasika ny fitantanana ifotony ny harena an-dranomasina sy amorontsiraka any amin’ny faritra DIANA, nokarakarain’ny Kaomitim-paritra misahana ny fitantanana ifotony ny morontsiraka.


Raha te ahafantatra bebe kokoa dia vakio ny momba ny fitantanana ataon’ny vondrom-piarahamonina any avaratra andrefan’i Madagasikara (amin’ny teny anglisy)


 

Posted by Zo Andriamahenina

Zo Andriamahenina is Deputy Regional Manager for northwest Madagascar. He spends much of his time in the field working with communities and discussing ways to support them in building community governance.

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *