This post is also available in: English French

Ny volana Jona, nankany Manjaboake ny ekipa mpanara-maso ny tontolo iainana ao an-toerana mba hampita traikefa amin’ireo mpianany voalohany.

Indray maraina mamiratry ny volana Jona, nakarinay tanaty sambo ny fitaovanay, tany Andavadaoka any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Tao ny fitaovana entina miditra anaty rano lalina, ny boky toro-lalana ary ny fitaovam-pampiofanana, vonona hiatrika ny fitsidihana mandritra ny telo herinandro ao amin’ny Lamina enti-Mitantana ny Morontsiraka sy Andranomasina (LMMA) ao Manjaboake, izay ao atsimon’ny Fari-dRanomasina Voaaro (AMP) ao Velondriake izay onenanay sy iasanay. Niaraka tamin’ireo mpiara-miasa amiko ao amin’ny ekipa mpanara-maso ny tontolo iainana (Sylvester, Patin, Ronaldo sy Damas), ny ekipa siantifikan’ny Blue Ventures ao Andavadoaka (Javier sy James) ary i Dupont, kapiteny aho, nanainga izahay hitampita ny AMP ao Velondriake mandritra ny adiny iray sy sasany.

Family photo: Lower row VDK team, upper row MJB team (just damas on the further left belongs to VDK). Upper row from right to left: Julian, Falisoa, Patrick, Ericka, Tsimira, Louis, Nestor, Damas. Lowe row from left to right: Sylvestre, Ronaldo, Jacks, Patin, Javier, James | Photo: Javier Jimenez

Tamin’ny taon-dasa, izaho sy i Sylvester, Patin, Ronaldo ary Damas no lasa ekipa mpanara-maso ny tontolo iainana voalohany tsy ahitana afa-tsy olon’ny fokonolona. Taloha dia ny mpirotsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny Blue Ventures Expeditions no manatontosa ny ankamaroan’ireo asa fanaraha-maso ; saingy rehefa tonga ny valan’aretina Covid-19 dia niova ny zava-drehetra. Nampiofanin’i Javier sy James izahay mba ahafantatra ireo karazam-biby, hahay hanangom-baovao any an-dranomasina ary handalina izany vaovao izany mba ahafahanay mamantatra ny toetry ny AMP.

Amin’ny naha-mpanjono anay teo aloha, dia efa fantatray ny harambato. Saingy ny fanambarana izany fahalalana izany amin’ireo fomba siantifika nampianarin’i Javier sy James, dia nahatonga anay ho matihanina eo an-toerana, izay dingana tsara iray hampandrosoana ny fandraisan’ny eo an-toerana ny fizotry ny fanaraha-maso ny tontolo iainana. Ny volana Jona izahay dia nahavita dingana vaovao : nitondra ny traikefanay tao amin’ny AMGL rahavavy ao Manjaboake mba ampiofanana ekipa vaovao mpanara-maso ny tontolo iainana ao an-toerana.

Andeha ho ao Manjaboake

Map of Velondriake MPA and Manjaboake LMMA | Image: Blue Ventures

Ny LMMA ao Manjaboake dia naorina tamin’ny 2010, ary raha amin’ny lafiny zavaboary, dia mitovy amin’ny an’i Velondriake izy. Misy tanàna maromaro ao amin’io AMGL io ka Ambatomilo no lehibe indrindra. Mitovy amin’ny an’i Velondriake ihany koa ireo antom-pivelomana ao an-toerana : ny ankamaroan’ny mpiara-monina dia miankina amin’ny jono mba iveloman’ny ankohonany. Saingy noho ny fiaraha-miasan’ny Blue Ventures amin’ny Ocean Farmers ho fampivoarana ny fambolena ahi-drano ataon’ny fokonolona sy ho fanamaivanana ny vesatra mianjady amin’ireo haram-bato, dia maro ireo mpanjono no nitodika tamin’ny fambolena ahi-dranomasina tato anatin’ny taona vitsy.

Toy ny any Velondriake, misy fikambanam-pokonolona ao Manjaboake manara-maso ireo hetsika ifotony ho fiarovana ny ranomasina. Nahazo risika tamin’ny fanaraha-maso ny tontolo iainana tao Velondriake ny fikambanana ao Manjaboake ka nifandray taminay, ary nilaza fa te-hanao fikarohana koa izy ireo mba ahafantarana ny fomba tsara iarovana ny jono ao aminy.

Amin’ny lafiny iray, maodely tsara alain-tahaka ho an’ireo LMMA hafa ao amin’ny faritra i Velondriake. Efa nanao asa siantifika niaraka tamin’ny fokonolon’i Manjaboake izahay, toy ny fiaraha-mandrakitra ireo fonenam-biby. Tohin’izany fotsiny ihany ity fampiofanana ity.” – Javier

Fokonolona manabe fokonolona

Ity fampiofanana ity dia fotoana ho ahy sy ny ekipako hampitana ny fahalalanay sy hifandraisana amin’ny namana taloha. Sahala aminay, mpanjono taloha daholo ireo nandray anjara rehetra – niara-nanjono tao amin’ny faritra daholo izahay nandritra ny fiainanay, ka mifankahafantatra efa hatry ny ela.

Tamin’ireo naniry handray anjara amin’ny fampiofanana dia tovolahy fito no voasafidy : Louis, Tsimira, Patrick, Erick, Nestor, Falisoa ary Julien. Zava-dehibe ny fahafantarany tsara ny haram-bato, ny fahafahany milentika anaty rano hatramin’ny dimy metatra fara-fahakeliny sy ny fahaizany mitana ny fofonainy mandritra ny iray minitra, satria ny angom-baovao eny amin’ny haram-bato dia atao any anaty ranomasina miaraka amin’ny tavoahangin’oksizena mitokana, na miaraka amin’ny sarontava sy “tuba”. Ankoatr’izay dia mila matoky tena izy anaty rano, ary mila mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy tsotsotra.

Vao tonga izahay dia efa tsapa ny fahavitrihana teo amin’izy ireo. Ho an’ny ekipa vaovao, fotoana izao ahazoana traikefa vaovao, ampiasana ny traikefa efa nananana momba ny ranomasina, ary ahafahana mitady fomba vaovao hiarovana ny tontolo an-dranomasina. Faly dia faly izy ireo hianatra aminay satria nahafinaritra azy ny asa nataonay tao Velondriake. Nanampy anay koa ny maha-mponin’ny faritra anay ; afaka nampianatra tamin’ny fitenim-paritra avy ao an-toerana izahay, ary amin’ny maha-samy mpanjono taloha, dia nifampizara traikefa maro.

Amiko dia zava-dehibe ny fampianaranay ny ekipa vaovao. Manana fahalalana ampy momba ny toetry ny ranomasina aho ary tsy tiako hokobonina ho ahy irery izany. Navitrika aho nieritreritra fa hizara ny traikefako amin’ny mpiara-monina ao Manjaboake mba ahafahanay rehetra mitovy fijery momba ny ranomasina.” – Damas

Ny fampiofanana

Nandritra ireo telo herinandro nampiofanana tany Manjaboake, dia any anaty rano foana isa-maraina, ary ny tolakandro kosa dia fampianaran-desona. Nandritry ny herinandro voalohany dia nifantoka tamin’ny fianarana ireo traikefa fototra izahay amin’ny fanaovana angom-baovao sy ny famelabelarana ireo lesona lehibe. Ny herinandro faharoa, nampihatra ireo zavatra nianaran’ny mpianatra hatreo izahay, anaty rano sy ivelan’ny rano. Ny herinandro farany kosa dia natokana ho an’ny fampidirana ny vaovao sy ny fandalinana azy, mba ahafahana manao fampiharana feno.

Saika nitovy tamin’ireo zavatra nianaranay nandritry ny taon-dasa ny nianaran’ity ekipa vaovao ity, saingy nisy zava-dehibe nampiavaka azy, araka ny fanazavan’i Javier : “Taty Manjaboake, dia nifantoka kokoa tamin’ny jono ny fampianarana, satria aty dia sarobidy ho azy ireo ny fitandroana ny antom-pivelomany”. Midika izany fa tsy nifantoka tamin’ny tontolo iainana fotsiny ny fampianarana (fandraketana ireo karazam-biby rehetra anatin’ny rohivoary) tahaka ny natao tany Velondriake, fa nahena ny lisitr’ireo trondro dinihina, ka ireo karazany kendren’ny mpanjono ihany no raiketina, toy ny besisika, ny alovo, ny kapiteny, ny lanoro, ny kongotry ary ny henjy. Zava-dehibe izany fanovana izany, mba ahafahana mampifandray ny fampiofanana amin’ny filan’ny fokonolona ao Manjaboake. Mifanojo amin’ireo fomba fitantanana ny jono ampiharin’ireo fokonolona hafa any Andrefan’ny ranomasimbe Indiana ihany koa izany.

Noho izany fomba izany dia tsy voatery nianatra anaram-biby maro amin’ny teny anglisy ireo mpandray anjara, izay ampahany sarotra indrindra ho azy ireo – ny fahafantarana ny anaran-trondro amin’ny teny anglisy dia ahafahana mizara ireo angom-baovao amin’ireo sehatra iraisam-pirenena fanangonam-baovao momba ny haran-dranomasina, toy ny mermaid.
Any amin’ny fiaraha-monina miankina amin’ny jono toy ny any Manjaboake, maro ireo tovolahy miala aloha loatra amin’ny fianarana mba handeha hanjono sy hamelona ny ankohonany, ka miteraka ny fahambanian’ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra izany. Niezaka izahay mba ho takatry ny rehetra ny fampiofanana ary natao mazava tsara avokoa ireo fampianarana, ary nampatsiahivina azy ireo fa tamin’ny herintaona lasa dia nianatra toa azy ireo koa izahay. Ny fiarahana mahafinaritra teny amin’ny sambo dia nahafahanay niala voly sady nianatra. Indray andro dia nihomehy mafy avokoa izahay satria nisy mpikambana iray tamin’ny ekipa niantso ny kongotry hoe “Patrickfish” (Patrick no anaran’ny iray amin’ireo mpianatra) raha parrotfish no tena izy amin’ny teny anglisy !

Araka ny nambaran’i Sylvestre tamiko nony tapitra ny telo herinandro, dia mahatalanjona ny fivoaran’ity ekipa ity : “Nahatsikaritra fiovana mihitsy aho teo amin’ireo mpianatra raha ampitahaina amin’ny tamin’ny voalohany. Nanomboka nahatakatra zavatra tsy mbola fantany akory talohan’izao izy, ary mazava fa azony tsara ny lanjan’ity asa ity. Efa fantany ny ranomasina teo aloha, fa anio kosa dia niova ny tao am-pony : lasa te-hiaro azy izy ireo.”

Asa mifampitohy

Ny fanantenanay amin’ny ho avy, dia ny mba ahafahana mitondra fanovana ato amin’ny LMMA misy anay ny fanaovana izao angom-baovao izao sy ny fianarana fomba fikarohana vaovao.” – Nestor

Toy ny tamin’ny nahavitanay ny fiofananay tany Velondriake, misy risi-po momba ny mety ho entin’ny ho avy ho an’ireo fokonolona ao Manjaboake. Noho ireo traikefa vaovao ireo dia afaka miara-miasa amin’ny fikambanana ao Manjaboake ny ekipa mpanara-maso ny tontolo iainana, amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra voadinika tsara momba ny harena an-dranomasiny. Nisafidy toerana sivy izay hodinihiny isan-kerinandro ny ekipa, ary tsidihinay isam-bolana izy mba hanaraha-maso ny asa vitany. Nianatra nandalina ankapobeny ireo vaovao voaangona izy ireo mba ahafahany mampandre haingana ny fokonolona momba ny toetr’ireo fonenam-biby an-dranomasina sy ny jono.

Manantena izahay fa ho afaka hanatontosa fampiofanana hafa any amin’ny faritra afoavoany sy any avaratry ny LMMA ao Manjaboake, sy handeha any amin’ny LMMA hafa eto Madagasikara mba hizara ny zavatra nianaranay, ary koa hampiofana vehivavy momba ny fanaraha-maso ny tontolo iainana, ka dimy amin’izany no ho ao anatin’ny ekipam-behivavy voalohany. “Miketrika andiam-pitaovana ho an’ny fanaraha-maso ny tontolo iainana izahay mba ahafahana manitatra ity fampiofanana ity amin’ny morontsiraka iray manontolo”, hoy Javier. “Faniriako ny mba ahafahan’ireo AMGL samihafa miara-miasa sy mampitombo ny fahaleovantenan’ny fokonolona amin’ny fitantanany ny jono sy ny angom-baovao momba ny tontolo iainany.”

Mankasitraka an’i Javier sy James aho nampianatra anay manao angom-baovao eny amin’ny haran-dranomasina ; raha tsy izy ireo no nampianatra anay, dia tsy ho afaka nanome fampianarana koa izahay. Izao izahay manana ireo fahaizana ilaina, ka afaka mampita izany amin’ireo olon’ny fiaraha-monina hafa toa anay. Asa mifampitohy izany, ary manantena aho fa hitohy mandritra ny taona maro.


Nosoratan’i Jacks (Mahagaga Ange)


 

Posted by Blue Ventures

Blue Ventures is an award winning marine conservation charity. We rebuild tropical fisheries with coastal communities. On our Beyond Conservation blog you can hear voices from the front line of marine conservation written by our staff and volunteers.

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *