This post is also available in: English French

Fito taona izay no mandeha isam-bolana any Maintirano aho, any amin’ireo nosikely maromaro mandrafitra ny Nosy Barren na any amin’ireo tanàna kely amorontsiraky ny faritra Melaky, any amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara. Raha ny asako ato anatin’ny ekipan’ny Blue Ventures, dia manampy ireo fokonolona amin’ny fitantanana maharitra ny jono any amin’ny Fari-dRanomasina Voaaro (AMP) ao amin’ny Nosy Barren ny tenako. Ny Nosy Barren moa dia iray amin’ireo toerana farany ahitana zavaboary isan-karazany aty andrefan’ny ranomasimbe Indiana. Aty amin’ity faritra alavitra ity, manodidina ny 4000 ireo mpanjono madinika mivelona amin’ny ranomasina : ny sasany amin’izy ireo dia namako fony kely, havana, mpiray vodirindrina, satria taty aho no teraka.

Taona vitsy lasa izay, vitsy ireo olona manjono ny orita aty amin’ny Nosy Barren : vitsy noho ny any atsimon’ny nosy ny tahiry,Taona vitsy lasa izay, vitsy ireo olona manjono ny orita aty amin’ny Nosy Barren : vitsy noho ny any atsimon’ny nosy ny tahiry, ka rehefa mahajono orita ireo vevivavy avy ao amin’ny nosikely (izay manjono rehefa midina ny rano), dia tsy misy mpanangom-bokatra mividy sy mandeha mivarotra izany any amin’ireo tanàna amin’iny sisintany iny.

Avy eo, tamin’ny 2015 sy 2017, tamin’ny fihaonambe nasionalin’ny MIHARI – izay sehatra ivondron’ireo LMMA aty Madagasikara –, dia nanatrika ny fisokafan’ireo rezervan’orita vonjimaika tany amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Madagasikara ireo mponina avy ao amin’ny Nosy Barren. Rehefa nody izy ireo dia nitantara tamiko fa nahagaga ny haben’ireo orita rehefa avy nakatona vonjimaika nandritra ny telo volana ny jono. Noresahiny tamin’ny fokonolona izany. Nijoro vavolombelona momba izany fikatonana vonjimaika izany koa ireo mpanjono nifindra monina avy any atsimo, izay nanatrika ny dinidinika. 

Navitrika manokana ny filohan’ny Vezo Miray Nosy Barren tamin’izany fotoana, izay fikambanana mpiara-mitantana ny AMP, ka nandresy lahatra ireo mpanjono tao amin’ny tanànany tao amin’ny Nosy Maroantaly sy ny tanàna mifanila aminy ao amin’ny Nosy Marify mba hanandrana izany fomba fiasa izany. Ireo tanàna hafa kosa dia niandry ny hahita ny vokatra izay vao nanapa-kevitra. Tamin’ny 2018 izany, ary tsy mbola nisy nanam-po ny mety ho fitomboan’ity tetikasa ity.

Ny andron’ny fanokafana

Teny akaikin’ireo nosy roa ihany ireo toerana nosafidiana hakatona ; noho izany dia mora ny nanara-maso azy. Vitsy ireo mivelona amin’ny jono any amin’ireto tanàna be mponina ireto, ka tsy natahorana hiteraka fatiantoka ny fanakatonana izany.

Ny andron’ny fanokafana dia nisy ireo solontena avy amin’ireo tanàna hafa tonga tao amin’ny Nosy Maroantaly. Te-hijery izy ireo raha nahomby ny tahiry vonjimaika, izay eo afovoan’ireo tamba-nosy ka nanafaingana ny fahatongavany, satria adiny iray sy sasany raha andehanana lakana avy any amin’ireo tanàna hafa. Nanasa mpanao gazety avy amin’ny fahitalavitra tao an-toerana aho hiaraka amiko, mba ahafahany manao fandaharana momba izany sy mandrakitra an-tsary ny vokatry ny fanokafana, ho an’ireo mpanjono.

Araka ireo antontanisa voaangona, dia tsy dia nisy akony firy teo amin’ny habetsaky ny hazan-drano izany fanakatonana roa izany. Saingy noho ireo faritra ireo efa tsy dia manana orita betsaka, dia tsy antony anatsaharana ny fomba fiasa izany hoy ireo mpanjono. Na izany aza dia nanamarika ny mponina ny habetsaky ny lanja sy ny haben’ny orita sasany.

Andro vitsy taorian’izany, diavolana ny andro, rehefa tonga niantsena tao Maintirano tahaka ny mahazatra azy ireo mpanjono, dia tsy niresaka afa-tsy ny momba izay.Andro vitsy taorian’izany, diavolana ny andro, rehefa tonga niantsena tao Maintirano tahaka ny mahazatra azy ireo mpanjono, dia tsy niresaka afa-tsy ny momba izay. Taorian’izay dia nalefako tany amin’ireo nosy ny horonantsary mandrakitra ny fisokafana mba ahafahan’ireo rehetra nijanona tao an-tanànany mahita ny vokatr’izany. Zava-dehibe ny fampisehoana ny raki-tsary satria tian’ireo mpanjono kokoa raha zavatra azo tsapain-tànana sy hitan’ny masony no iadiana hevitra.

Ny fampivoarana ny tambajotran’ny tahiry vonjimaika

Nanapa-kevitra ireo tanàna nanatontosa ny fanakatonana fa hamerina ny fanandramana izy ireo, ka faritra mamokatra kokoa no akatona mba ahazoana vokatra tsara kokoa. Nisy koa ireo tanàna hafa avy ao amin’ireo nosikely sy avy amin’ireo tanàna hafa amin’ny morontsiraky Madagasikara nanapa-kevitra ny hanandrana izany maodely izany. Samy nanandrana sy nanatsara ny fomba fanakatonana ireo vondron’olona ifotony tsirairay, ka miisa 13 ireo rezerva vonjimaika ankehitriny, ary fito dia rezervan’orita avokoa.

Nomena ireo tanàna rehetra ny angom-baovao azo tamin’ny rezerva tsirairay mba ahafahany maka lesona amin’ny namany nanjary fifaninana ara-pirahalahiana izany. Tamin’ny 2019, niparitaka ny vaovao fa nisy tanàna nahajono orita 580 kg nandritra ny fanokafana, raha 160 kg amin’ny ankapobeny ny an’ny hafa. Nanamafy ny fahazotoan’ny tsirairay hanatsara ireo fanakatonana vonjimaika ao aminy izany.

Manerana ny Nosy Barren dia nampitombo tsikelikely ny rezervan’orita vonjimaika ao aminy ireo mpanjono. Nafindra tany amina faritra mamokatra kokoa izany ary nakatona ho an’ny jono rehetra. Nandritra ny roa taona dia nitombo avo-efatra heny ny fitambaran’ny  velaran’ireo tahiry, ary nitombo avo-folo heny ny lanjan’ny vokatra. Ireo fepetra fanakatonana izay niankina tamin’ny fifanekena am-bava taloha, dia ampidirina anatin’ny Dina, lalànam-pokonolona iankinan’ny fitantanana ifotony ny LMMA aty Madagasikara. Tonga nanatrika ireo andro fanokafana ireo solon-tenan’ny fiadidiam-paritra, ireo olom-panjakana miahy ny Jono sy miahy ny Tontolo iainana sy ny Fampivoarana Lovain-jafy, ary nandrisika ireo mpanjono hanohy ny ezaka.

Noho ireo rezervan’orita akaiky ireo tanàna, dia nandray anjara tamin’ny fanaraha-maso ny fokonolona rehetra. Raha ampitahaina amin’ireo faritra hafa dia nalaky ny fanajan’ny fokonolona ireo fikatonana vonjimaika, ka nitondra vokatra tsara izany : tsy nanelingelina ny fanjonoana orita izay efa nisy izany, ary ireo mpanjono izay mitolona ho an’ny fivelomany isan’andro, dia nalaky resy lahatra fa ny fametrahana sy ny fanajana ny fikatonana dia miantoka fidiram-bola maharitra ho azy ireo. Ny taona faharoa, nisy voka-dratsy tamin’ny fotoam-panjonoana trondro ny rivo-mahery, ka ny fanokafana ireo rezervan’orita no nahafahan’ireo mpanjono nampidi-bola ividianana sakafo toy ny vary sy menaka tamin’izany taona izany.

Ny fitantanam-pokonolona

Taloha dia ny ekipan’ny Blue Ventures no mitarika ireo adi-hevitra momba ny famolavolana ireo fepetra fametrahana ny tahiry tsirairay avy. Nanomboka tamin’ny 2020, ny tanàna tsirairay no mametra izany fepetra izany mandritra ny fivoriana faobe.Ankehitriny, ny fokonolona no mitarika ny fisafidianana ny fomba fitantanany, araka ny traikefa azony. Taloha dia ny ekipan’ny Blue Ventures no mitarika ireo adi-hevitra momba ny famolavolana ireo fepetra fametrahana ny tahiry tsirairay avy. Nanomboka tamin’ny 2020, ny tanàna tsirairay no mametra izany fepetra izany mandritra ny fivoriana faobe. Mandray anjara mavitrika amin’ny adi-hevitra ireo vehivavy, izay tena voakasiky ny fanjonoana orita. Ny ekipan’ny Blue Ventures izay manatrika ireny fivoriana ireny, dia manome soso-kevitra ara-teknika raha ilaina.

Noraisin’ny fokonolona an-tanana ihany koa ny fitantanana ny seha-pihariana. Ny taona 2018, tsy nisy mpanangom-bokatra teny an-toerana, mividy sy mivarotra ny orita vaovao eny an-tsena. Ireo orita azo namidy dia nolafosana tamin’ny vidiny 1000 ariary/kg (0,20 €) – tena ambany dia ambany. Ny taona manaraka, nampandre ny mpanangom-bokatra avy ao Morondava, renivohi-paritra, ireo fokonolona mialohan’ny fisokafan’ny jono, any amin’ny adiny valo miala eo raha andehanana vedety. Mahafantatra kokoa ny tena vidiny mihatra ireo fokonolona avy ao amin’ny tamba-nosy noho ireo mpanjono nifindra monina avy any atsimo, ka nangataka ny hanondrotana izany vidin’izany, saingy tsy nahazo afa-tsy 2000 ariary/kg.

Noho izany, tamin’ny herintaona dia niara-nandà tsy hivarotra ny orita amin’izany vidiny izany ireo fokonolona. Voaasa tany amin’ireo nosy tsirairay ny kaomity mpitantana ny Vezo Miray Nosy Barren, sy ny filohan’ny fikambanana mihitsy, mba ahafahan’ny tanàna mampahafantatra izany fanapahan-kevitra izany. Taorian’izany fandavana izany, izay noraketin’ny mpanjono an-tsoratra, dia nangataka tamin’ireo mpanangom-bokatra ny Vezo Miray Nosy Barren mba hanondrotra ny vidim-bokatra. Teo am-piandrasana ny valin’izany dia nifandray taminà vehivavy mpanangom-bokatra iray ny mpanjono, ka nanolotra vidim-bokatra 3000 ariary/kg izy. Rehefa naverina nantsoina ilay mpanangom-bokatra voalohany dia nanaiky ny hampihatra izany vidiny vaovao izany.

Noho ny fanakatonana vonjimaika ny fanjonoana orita sy ny fitantanan’ny fokonolona, dia afaka miankina amina mpanangom-bokatra roa izao ireo mpanjono ao amin’ny Nosy Barren ary afaka nasondrotra avo telo heny ny vidin’izany.

Ireo dingana manaraka

Ankehitriny dia mihevitra ny hanangana sehatra itantanana ny fitantanana orita ny fokonolona, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanangom-bokatra : milamina, manaja ireo fifanarahana, fampiasan’ny mpanangom-bokatra olona avy ao an-toerana. Izany sehatra izany, mifototra amin’ny Kaomity Mpitantana ny seha-pitantanana Orita any atsimo-andrefan’i Madagasikara, dia azo ampidirana ireo olom-panjakana ao an-toerana sy mifehy ny jono, ireo mpandraharaha tsy miankina ary ireo fikambanam-piaraha-monina miara-miasa amin’ireo mpanjono madinika.

Etsy an-kilany, te hanasongadina ireo tahirim-biby tsy mifindra monina toy ny drakaka sy ny zanga ny fokonolona, ary manantena fa hanagona tahirin-kevitra biolojika misimisy kokoa mba ahafahana mametraka tsy ho ela, ny tahirin-trondro maharitra sy mamokatra.

Any amin’ny faritra niaviako, nahafahana nandamina ny fidiram-bola ireo rezervan’orita vonjimaika, no sady nanainga ireo mpanjono amin’ny fitantanana maharitra ny jono sy ny famokarana mba hanamafy orina izany seha-pihariana izany. Koa satria izy nanomboka izany asa izany, tsy andriko ny ahitana ny fivoatrany.

Ny rano mangarahara sy ny fasi-potsy no tena ahafantarana ireo Nosy Barren izay fantatra amin’ny hatsaran’ny zava-boary ao aminy | Sary : Blue Ventures

With clear blue water and bright white sand, the Barren Isles are instantly recognisable and famed for their striking natural beauty | Photo: Blue Ventures




 


 

Posted by Jean Berthieu Nomenjanahary

In his work with Blue Ventures, Jean Berthieu aims to raise awareness on the necessity to preserve the Barren Isles' outstanding marine resources among fishing communities. He plays a crucial role in the establishment of the Barren Isles Locally-Managed Marine Area through capacity building and the implementation of a new marine dina.

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *