This post is also available in: English French

Mirotsaka amin’ny fambolena an-drano ireo mponina ao Belo sur Mer – indrindra ireo vehivavy.

Tsy nanana ho avy aho talohan’ny nambolena ahi-dranomasina. Nandao ny tanàna ireo zanako lahy ary tsy nanana antom-pivelomana aho satria efa osa ka tsy afaka manjono. Ankehitriny, misy ny antom-pivelomana, ary tsy ho ahy irery. Manantena ny honina eto maharitraritra izahay.” – Ramatoa Tunisia

Tsy haiko ny tsy ho faly ho an’i Ramatoa Tunisia sy ireo mpamboly hafa, izay nitantara ny momba azy tao anatin’ny horonantsary ho an’ireo mpiara-monina hafa. Ny tanànanay ao Belo sur Mer, any amorontsiraka atsimo-atsinanan’i Madagasikara, dia fantatra manerana ny Nosy noho ireo mpanamboatra sambo matihanina, manamboatra ny botry, sambo nentim-paharazana. Saika mpanjono avokoa ny mponina aty. Ny fahalavirana, ny toetr’andro maina ary ny tsy fahampian’ny foto-drafitrasa dia mametra ireo asa fampidiram-bola hafa. Saingy mihafoana ny harena an-dranomasina, noho ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fanjonoana diso tafahoatra noho ny fitomboan’ny mponina sy ny fahatongavan’ireo mpanjono madinika sy mpanjono indostrialy vahiny. Ny taona 2020, nisy ny fikarohana nivoaka tao amin’ny gazety siantifika Frontiers in Marine Science nanamarina ara-tsiansa ny tranga tsikaritr’ireo mpanjono any an-toerana nandritra ny taona maromaro izay : mihena hatrany ny isa sy ny haben’ny trondro.

Noho izany fahasimbana izany, nanampy ireo fokonolona ao Belo sur Mer sy ny manodidina ny Blue Ventures amin’ny fitadiavana fidiram-bola ankoatry ny jono, izay ahafahany mivelona maharitra amin’ny ranomasina. Nisafidy ny fambolena ahi-dranomasina mena ny fokonolona. Fantatra amin’ny anarana hoe Cottonii, ny ahi-dranomasina mena dia singa fanatevenana vokatra ampiasaina amin’ny indostria mpamokatra sakafo sy ny vokatra fikojakojana tarehy.

Nahoana no mamboly ahi-dranomasina?

Ny fambolena ahi-dranomasina no nosafidiana noho ny fanohanan’ny orinasa tsy miankina COPEFRITO (niova ho Ocean Farmers), izay efa miara-miasa amin’ireo mpamboly ahi-dranomasina ao amin’ny LMMA ao Velondriake, any amin’ny 150 km mankany atsimo. Ny antony hafa dia satria ny fambolena ahi-dranomasina dia azo atao imbetsaka isan-taona, ka mitondra fidiram-bola maharitra. Farany, ho an’ireo vehivavy izay betsaka indrindra tamin’ireo mpamboly voalohany – noho ireo lehilahy sahirana manjono an-dranomasina –, fotoana izany hahaleovan-tena ara-bola.

Izaho sy ireo mpiara-miasa amiko Solo sy Tôto dia samy avy ao an-tanàna, ary nahazo fiofanana naharitra iray volana tamin’ny COPEFRITO, mba ahafahanay mampiofana ireo mpamboly 30 voalohany, ka mifantoka amin’ireo asa fampiharana izany : fanaovana botira, fametrahana ireo tady misy ny tapak’ahitra an-dranomasina, fikarakarana ireo fitaovana, fijinjana, fanamainana, fifantenana, fampirimana.

Nanampy ireo mpamboly tsirairay izahay hisafidy sy hametra ny faritra iasany. Izany no asa sarotra indrindra, indrindra noho ny fanamafisana ny tady amin’ny gonim-pasika mavesatra. Teo izahay nanampy tamin’ny fametrahana ireo tady vaovao, sy tamin’ny fandanjana tao amin’ny magazay mialohan’ny varotra. Nandritra izany dingana voalohan’ny fiofanana izany, ny tanjona ho an’ireo mpamboly dia ny hahatratra tsikelikely ny famokarana andrasana ho an’ny tadin’ahi-dranomasina miisa 60.

Nanjary fidiram-bola kely fanampiny ho an’ireo mpamboly ny fambolena ahi-dranomasina, tahaka an’i Rtoa Filiany Raharisoa, manambady mpanjono ary manan-janaka fito.

Afaka nandoa ny saram-pianaran’ireo zanako aho, tsy afaka nanao izany aho hatrizay” – Filiany Raharisoa, mpamboly

Ny antony

Mba anohanana ny lamin’asa, dia nivory isam-bolana niaraka tamin’ireo mpamboly izahay mba hanombanana ny fivoarana, ny olana ary ny fahombiazana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia hita fa tsy ampy ny fianarana ireo teknika mahomby : ny fahazotoana sy ny famokaran’ny mpamboly dia miankina amin’ny habetsaky ny vokatra sy ny vola miditra amin’ny fambolena ahi-dranomasina.

Noho izany, nametraka mpandrindra izahay, ary nametraka rafi-panarahana ny famokarana, nampitombo isa ireo tady isan-jatony mba hahabetsaka ny vokatra, ary nanamafy ny fanohanana ifotony an’ireo vondrona mpamboly. Ny vidin’ny kilaon’ahitra dia nofaritana araka ny tanjon’ny fari-pambolena tsirairay.

Ny rafi-panarahana ny famokarana dia manana fepetra roa. Ny fepetra voalohany, momba ny isa, dia mijery ny lanjan’ny ahitra vokatra isaky ny tady ary isaky ny fotoam-pambolena, na koa ny fotoana lanin’ny mpamboly eny amin’ny fari-piasana. Ny fepetra faharoa dia momba ny kalitao, ka ijerena ireo fomba fanao ara-pambolena, toy ny kalitaon’ny botira, ny fitiliana ireo aretina sy ny fihinanan’ny trondro, ary ny fomba fanao tsara miaro ny tontolo iainana, toy ny hazavain’i Thomas Picart, tale mpandrindra ny asa ao amin’ny Ocean Farmers.

Lasa mpikambana ao amin’ireo fikambanana mitantana ny LMMA ireo mpamboly. Ny firotsahany dia nahafahana nampiditra ny fambolena ahi-dranomasina anatin’ny lamim-pitantanan’ny fokonolona, ary nanamora ny firotsahan’ireo mpamboly amin’ny asa fitantanana maharitra ny jono. Izany dia ahafahana ihany koa misoroka ny mety ho disadisa noho ny fizarana ny toerana eo amin’ny ampaham-pambolena sy ny botry.

Ny fanohanana akaiky omena ireo mpamboly sy ny paikady mikendry ny fampifandraisana ny famokaran’ireo ampaham-pambolena rehetra no antony. Nampitomboin’ireo mpamboly ny velaran’ny ampaham-pamboleny, dia nanokana fotoana betsaka kokoa amin’ny fambolena ahi-dranomasina izy, ary antom-pivelomana iray manokana mihitsy izany.

Ny fambolena ahi-dranomasina izao no antom-pivelomana fototry ny fianakaviako. Nanangana trano mafy orina kokoa izahay, ary nahenan’ny vadiko ny fanjonoana mba ahafahany manampy ahy mamboly ahi-dranomasina” – Filiany Raharisoa

Vokatra

Ny taona 2020, nametraka tanjona ny hamokatra ahitra maina 80 taonina isan-taona ny Ocean Farmers. Raha tratran’ny mpamboly io tanjona io, dia midika izany fa ahazoana tombony ity fihariana ity ka afaka mametraka ekipa manokana ao Belo sur Mer ny orinasa. Nihoatra lavitra noho ny tanjona ny vokatra : namokatra ahitra maina 92,3 taonina ireo mpamboly 82 (izany hoe nitombo 350% ny famokarana teo anelanelan’ny 2018 sy 2020). Volana vitsy lasa izay, natolotry Blue Ventures ho an’ny Ocean Farmers ny fitarihana mivantana izany asa izany.

Raha ny tombana dia manodidina ny 90% amin’ny fotoanan’ireo mpamboly no laniny amin’ny fambolena ahi-dranomasina, ary ny 10% dia anjonoany miaraka amin’ny vadiny, hoy Thomas Picart. Amin’ny ankapobeny, 15 hatramin’ny 20% ireo mpamboly manokan-tena amin’ny fambolena ahi-dranomasina.”

Mba ahafahan’ny mpiara-monina manatsara ny fitantanam-bola, dia napetraka ireo vondron-tahirim-pokonolona, mifototra amin’ny fomba SILC novolavolain’ny ONG Catholic Relief Services. Misokatra ho an’ny rehetra izany, saingy ireo mpamboly ahi-dranomasina no mazoto indrindra sy maro an’isa indrindra ao anatiny.

Noho ny fambolena ahi-dranomasina, dia afaka mividy hena ho an’ireo zanakay izahay rehefa fety ny andro, ary afaka mampidi-bola rehefa ratsy ny andro ka tsy afaka manjono”, hoy Ramatoa Tsaravelo.


By François ANDRIANOMENJANAHARY, Aquaculture Supervisor, Belo sur Mer, Madagascar


Araho ny fanamby lehibe amin’ny fiompiana “concombre de mer” tarihin’ireo fokonolona any atsimo andrefan’i Madagasikara ary fantaro hoe ahoana ny fomba natao nahafahana nampitombo ny toe-karena tamin’ny alalan’ny fiompiana concombre de mer tany Zanzibar (amin’ny teny anglisy)


Misaotra ny Norges Vel – Fiaraha-monim-panjakana ao Norvège ho an’ny fampandrosoana – noho ny fanohanany nandritra ireo taona voalohany niandohan’ny tetikasa fambolena an-drano tany amin’ny AMP Velondriake sy any amin’ny faritra Belo sur Mer.

Posted by Blue Ventures

Blue Ventures is an award winning marine conservation charity. We rebuild tropical fisheries with coastal communities. On our Beyond Conservation blog you can hear voices from the front line of marine conservation written by our staff and volunteers.

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *