This post is also available in: English French

Telo taona lasa izay, raha nandray ny toerana maha-tompon’andraikitry ny faritra Avaratra-Atsinanan’i Madagasikara ato amin’ny Blue Ventures aho, dia nilaza tamiko ny lehibeko : « Ny sedra mafy indrindra holalovanao, dia ny fihenan’ny ala honko malaky dia malaky any amin’ny faritra ». Eny, tandindonin-doza ny ala honko sarobidy misy eo amin’ny velaran-tany 140.000ha any avaratra-andrefan’i Madagasikara, ary 3,74% isan-taona ny tahan’ny fandripahana ala ao Ambanja, noho ny mponina mikapa hazo ho an’ny lakozia sy ny fanamboarana. Kanefa, ny ala honko dia sady mifoka karibaonina maro no miaro amin’ny tafio-drivotra sy ny tondra-drano, no sady fonenana voajanaharin’ireo hazan-dranomasina izay iveloman’ny mponina amorontsiraka.

Noho izany, tamin’ny 2015, ny Blue Ventures dia nanomboka ny tetikasa fambolena hazo fanao kitay tany Ambanja, niaraka tamina vondrona mpanjono sy tantsaha dimy navitrika tamin’ny fambolen-kazo ho toy ny antom-pivelomana faharoa sy loharano maharitra ho an’ny arina fandrehitra, azo asolo ny arina azo amin’ny ala honko. Ankehitriny, 18 % monja amin’ny filàna arina fandrehitra ao Ambanja sy any Nosy Be, izay ivon’ny fizahan-tany, no voasaron’izany fambolena kitay maharitra izany, fa ny ambiny kosa dia avy amin’ny fikapana tsy ara-dalàna ny ala honko.

Tamin’ny voalohany, sahala amin’ny sarotra ihany ity teknika ity, hoy Manitriavy, iray amin’ireo mpamboly hazo vaovao. Saingy rehefa nanandrana ireo fomba nohatsaraina dia nazava tamiko fa tena mamaly ny filànay ity teknika ity : tsy tena miavaka amin’ny fombanay mahazatra, nefa tsara lavitra ny vokatra sy ny kalitao ! “

Ny tanjona amin’ny fambolena hazo atao kitay dia ny hambolena hazo mora maniry (eto dia ny Acacia mangium), izay azo kapaina afaka telo na efa-taona monja, arakaraky ny toe-tany. Rehefa vonona hokapaina ny hazo, dia dorana anaty fatana mba hanaovana arina fandrehitra – izany no antsoina hoe “carbonisation”. Azo ampiasaina avy eo ny arina fandrehitra, indrindra ho an’ny fandrahoana. Any amin’ireo tanàna any avaratra-andrefan’i Madagasikara, tsy azo ianteherana loatra ny herinaratra, ary any ambanivohitra aza dia tsy misy mihitsy izany, ka tsy afaka mampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra raha hahandro sakafo.

Nandritra izay telo taona farany izay dia nanokana fotoana sy herim-po betsaka tamin’ny fitadiavana loharanon’angovo hafa ho an’ny fandrahoana sakafo izahay. Nandinika ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, saingy lafo loatra izany ho an’ireo mponina iarahanay miasa. Ankoatr’izay, nitafa tamina orinasa mpamokatra “biodigesteurs” izahay, saingy lafo ihany koa ny saran’izany. Nanandrana ireo fandrehitra ecolojika vita amin’ny baoritra koa izahay tany Toliara, any atsimo-andrefana, saingy vitsy ny baoritra ao Ambanja noho izy tanàna kely, aty avaratra. Ny fikambanana mpiara-miasa aminay amin’ny tetikasa angovo natoraly, Nitidae, dia nitady fomba mety hamokarana fandrehitra vita amin’ny fonona mahabibo, saingy tsy ampy ny hazo mahabibo aty.

Na dia samy manana ny lafitsarany aza ireo fomba tsirairay avy ireo, dia samy manana ny fetrany ihany koa. Hitako fa tsy misy vahaolana mahagaga tokana ho an’ny famokarana angovo maharitra amin’ny fandrahoana aty amin’ity toerana mitokana ity, saingy mety ho ampahan’izany vahaolana izany ny famokarana arina fandrehitra avy amin’ny Acacia mangium.

Manohizara, an alternative fuelwood producer in his plantation | Photo: Louise Jasper

Hatramin’ny nanombohana ny tetikasa tamin’ny 2015, mpamboly 40 no namboly hazo miisa 105.000, teo amin’ny tany mivelatra manodidina ny 100ha. Tamin’ny 2020, nitombo tsara ny hazo, tonga ny fotoana hikapana azy. Mba anohanana ireo mpamboly mandritra izany, dia niara-niasa tamin’ny ONG iraisam-pirenena Nitidae izahay, izay mamolavola tetikasa mitondra zava-baovao ary miaro ny tontolo iainana no sady manatsara ny toekarena ifotony. Noho ny traikefany amin’ny famoronana tombom-barotra sy ny angovo maharitra, dia Nitidae no mpiara-miasa mety indrindra amin’ity tetikasa ity.

Nikasa hanampy ireo mpamboly hazon-kitay ny Nitidae amin’ny famokarana arina fandrehitra tsara kalitao, amin’ny alalan’ny teknika “carbonisation” mahomby kokoa noho ny fomba mahazatra, izay tsy voafehy, ka miteraka arina fandrehitra ratsy kalitao sy maivan-danja.

Nitidae sy Blue Ventures dia nikarakara fivoriana niaraka tamin’ireo olona dimy izay vonona hikapa ny hazony ho an’ny famokarana arina fandrehitra. Anthony, avy ao amin’ny Nitidae, dia nanolotra ireo fanatsarana tsotra nefa mahomby izay horesahana mandritra ny fampiofanana. Voalohany dia nianatra ny fomba fanamainana ny hazo mialohan’ny fandorana azy ireo mpamokatra, mba tsy ho mando ny fatana. Avy eo, nampianarina azy ny fomba fametrahana ny hazo anatin’ny fatana mba ampitomboana ny lanjany, sy ny fomba fandrakofana azy amin’ny fasika sy ravin-kazo mba tsy ivoahan’ny setroka.

Ny fanaovana fivoahan-tsetroka sy lalan-drivotra mba amehezana ny fivezivezen’ny rivotra sy ny mari-pana anatin’ny fatana no tena nahavariana ireo mpamokatra : arakaraky ny fiadanan’ny fandorana ny hazo no mahatsara kalitao ny arina azo avy aminy.

 

Roa volana taorian’ny fampiofanana voalohany, taorian’ny fikapana sy fanamainana ny hazo, dia vonona hanangana ny fatana ireo mpamokatra araka izay nianarany hatreo : tapahina sy atoby ny hazo, rakofana fasika sy ravin-kazo, ary fehezina amin’ny alalan’ny fametrahana lalan-drivotra ny mari-pana. 3 hatramin’ny 5 andro aorian’izay (arakaraky ny haben’ny fatana), may ny hazo ary azo angonina sy lanjaina ny arina fandrehitra.

Talohan’ny nanombohako ny fambolen-kazo, hoy Manitriavy sady mitsiky, tsy takatro ny lanja sy ny tombom-barotra azo avy amin’ity asa ity. Saingy hatramin’ny nirotsahako tamin’ity fambolena ity dia efa mijinja ireo tombon-tsoa aho ary faly, tsy ho an’ny ampahan-tany sahaniko ihany fa ho an’ireo manodidina koa : mihamaitso ny tontolo ! Nandritra ity andiany voalohany ity, dia nahazo tombony tamin’ny famboleko aho. Mbola vao manomboka izany, saingy valin-kasasarako ka mandrisika ahy ho an’ny ho avy.”

Raha mamokatra arina 10-15% avy amin’ny hazo ny fatana mahazatra, dia nahatratra 20-25% izahay. Raha ny ara-tontolo iainana no resahina, midika izany fa ny famokarana arina fandrehitra 1 kg avy amin’ny fambolena Acacia mangium dia ahafahana miaro hazo 8 kg avy amin’ny ala honko na faritra voaaro hafa.

 Fantatsika fa mihasimba andro aman’alina ny tontolo iainana, indrindra noho ny fanimbana ny ala, hoy Manitriavy. Aty izao dia voararan’ny sampana misahana ny ala ny mikapa ireo ala honko voajanahary. Resy lahatra 100% aho fa maro ireo olona afaka mamboly hazo haingam-paniry any amin’ny tany misy azy avy, na dia amokarany ny arina ampiasainy ao an-trano fotsiny aza. Andrana tsara ho ahy ny vokatro voalohany, ka manentana ny rehetra aho mba hiroso amin’izany fomba izany, satria mitondra tombom-barotra ho an’ny mpamokatra no sady ahafahana misoroka ny faharavan’ny tontolo iainana noho ny fanimbana ny ala.”

Any amin’ny distrikan’Ambanja, ireo fikambanam-pokonolona 12 mitantana ifotony ny harena voajanahary dia nivondrona ho federasiona, ny Federasiona Miaramientagna. Ity federasiona ity dia mitana andraikitra lehibe amin’ny fanentanana momba ny akony ara-tontolo iainana ateraky ny fikapana ala honko, ary indrindra, ny akony ara-sosialy sy ara-toekarena mety hianjady amin’ny mponina. Niaraka tamin’ny fanampianay, dia nisafidy ny Federasiona Miaramiantagna hametaka ny “logo” an’izy ireo eo amin’ireo kitapon’arina, miaraka amin’ny soratra hoe : « Arina novokarina avy amin’ny fambolena Acacia mangium – Ity vokatra ity dia ahafahan’ny fokonolona ifotony mitantana sy miaro ny ala honko ho an’ny tombontsoan’ny rehetra’.

Ireo mpikambana amin’ny Federasiona Miaramientagna dia nanaparitaka sy nivarotra ny arina fandrehitra vaovao any Ambanja eo anivon’ireo mpamokatra, ary nanazava fa manampy amin’ny fiarovana ny ala honko izany. Ho tambiny dia nahazo tombony 1.000 Ariary isan-kitapo ny federasiona (12.000 Ariary ny kitapo iray), izay nahafahana nameno ny karaman’ireo andrimaso miaro ny ala honko, sy nanomezana fanalana hetaheta ho an’ireo mpandray anjara tamin’ireo hetsika fambolena ala honko, tontosaina imbetsaka isan-taona.

Rehefa niverina nijery an’i Manitriavy tany amin’ny famboleny aho tamin’ny desambra, dia hitako ny fahagagan’ny natiora : teo amin’ny toerana nikapana hazo, dia efa maro sahady ireo hazo mitsiry. Mahavelombolo ny mieritreritra fa afaka taona vitsy indray, dia ho hazo vaventy ireo tsiry ireo ka hanome antom-pivelomana ho an’i Manitriavy sy ny mpiara-monina aminy.

A new seedling | Photo: Cécile Schneider


Raha te-hahafantatra momba ny fambolena hazon-kitay ao Ambanja

Raha te-hahafantatra momba ireo tetikasanay ala honko

Jereo ny horonantsarinay momba ny Tahiry Honko, tetikasam-pokonolona lehibe indrindra fitahirizana karibaonina amin’ny honko


 

Posted by Cécile Schneider

Cécile is Blue Ventures' Regional Manager for northwest Madagascar, providing a regional vision and leadership in building the capacity of communities for coastal and marine resource management, as well as managing outreach to partners.

Leave a reply

Your email address will not be published.