This post is also available in: English

Amin’ny maha-Vezo anay, dia miankina tanteraka amin’ny ranomasina ny fiainanay. Te-hahafantatra misimisy kokoa momba ity ranomasina ity aho mba hikarakaràko azy, hiarovako azy amin’ny fahasimbàna sy mba hivelomako sy ny taranako aminy.” Sylvestre – mpikambana amin’ny ekipa mpanara-maso ny tontolo ambany ranomasina.

Any atsimo-andrefan’i Madagasikara, efa an-taonany maro ny Vezo no nivelona tamin’ny ranomasina. Hatramin’izay naha-mpanjono azy, dia nivoatra ny fiainany an-dranomasina, noho ny antony ara-voajanahary sy ny antony avy amin’ny olombelona. Nandritra ny folo taona farany teo no nahitàna fiovàna haingana indrindra, satria simba na nihafotsy ireo haran-dranomasina, nihena be ny isan’ireo tondro sy horita, izay iankinan’ny mponina Vezo amin’ny sakafo sy fidiram-bola.

Ho an’ireny fokonolona amorontsiraka ireny, dia zava-dehibe ny fanomezana vahana ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina mba hiarovana ny andavanandrony. Tamin’ny 2006, niaraka tamin’ny Blue Ventures ireo fokonolona any atsimo-andrefan’i Madagasikara – izay ahitàna haran-dranomasina, ala honko ary ahi-dranomasina – mba hametraka ny fari-dranomasina tantanina ifotony (LMMA) voalohany, tamin’ny anarana hoe Velondriake izay midika hoe “miara-miaina amin’ny ranomasina”. Amin’ny alalan’ny dina (fitsipi-piarahamonina ankatoavin’ny fanjakàna), dia nametraka fitsipika mahomby ny fokonolon’ny LMMA ao Velondriake, ampiharina ao an-toerana mba handraràna ny fanjonoana mihoa-pampana, hiarovana ireo trondro an-dalam-paharinganana, ary hamaritana ireo fari-dranomasina tsy maintsy arovana maika.

Mba handraisana fanapahan-kevitra momba ireo fitsipika ireo, dia nila antontam-baovao ny fokonolona – tsy azo atao fahatàny izany fanapahan-kevitra izany, fa mila mifototra amin’ny porofo ara-siantifika momba ireo zavaboary misy sy ny toetry ny tontolo an-dranomasina.

Tamin’ny alalan’ny tetikasa fizahàntany manaja ny tontolo iainana, Blue Ventures Expeditions, dia nampiofana mpirotsaka an-tsitrapo maneran-tany izahay mba hanangona izany vaovao izany, mba hozaraina amin’ny fokonolon’i Velondriake sy hanampiana azy handray fanapahan-kevitra momba ny fandrindràna maharitra ny jono. Sady nanome antontam-baovao ara-tontolo iainana goavana sy fidiram-bola maharitra ho an’ny LMMA ny fitsidihana, no nanome fotoana miavaka nanaovana fizahàntany manaja ny tontolo iainana, ka nonina teny anivon’ny fokonolona Vezo ao Andavadoaka (tanàna ao anatin’ny LMMA) ireo mpirotsaka an-tsitrapo, ary nizaha ireo haran-dranomasina anisan’ny sarobidy indrindra maneran-tany.

Mbola ny fanaraha-maso ny tontolo an-dranomasina nataon’ireo mpirotsaka an-tsitrapo nandritra ny fizahàna hatreto no antontam-baovao tsy tapaka lehibe indrindra momba ny tontolo iainana eto Madagasikara, ary nahafahana nanatontosa ireo ezaka fiarovana tontolo iainana nataon’ny fokonolona ao Velondriake efa 17 taona mahery izao.

Saingy tamin’ny 2020, niova izany rehetra izany. Nanakana ny fizahantany iraisam-pirenena ny valan’aretina COVID-19, ka nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny firotsahana an-tsitrapo aloha ny ekipa. Mazava ho azy fa nisy fiovàna goavana tany amin’ireo fokonolona ao Andavadoaka, saingy raha azo eritreretina ho sakana amin’ny ezaka fiarovana tontolo iainana izany, dia navadika ho fanararaotra handraisana an-tanana misimisy kokoa ny jono eny an-toerana.

Famadihana ny olana ho fanararaotra

Tamin’ny volana May 2020, nisy tetikasa siantifika vaovao natomboka tany amin’ny site ao Andavadoaka mba hiatrehana ny akon’ny COVID-19. Iray amin’ireo tanjona lehibe kendren’ity tetikasa ity ny hampiofana ireo mponina amin’ny fanaraha-maso ny harena an-dranomasina ao amin’ny LMMA sy amin’ny fanangonam-baovao, tahaka ny fanaon’ireo mpirotsaka an-tsitrapo taloha.

Efa talohan’ny valan’aretina no nokarakaraina ity tetikasa ity, ka noho izany dia efa nahavita fiofanana ambony momba ny filentehana an-dranomasina “PADI Advanced Open Water” sy nahazo mari-pahaizana ny olona dimy avy amin’ny fokonolona ao Andavadoaka. Noho ny COVID-19 dia natao laharam-pahamehana ity tetikasa ity, ary tamin’ny volana May, nanomboka nampianatra azy ireo ny fanaraha-maso ny haran-dranomasina aho, niaraka tamin’i James mpiara-miasa amiko, Siantifika mpanampy ao amin’ny Blue Ventures any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Mponina ao Andavadoaka i James ary efa mpilentika an-dranomasina nandritra ny 13 taona.

Talohan’ny nanombohana ny fampianarana, niahiahy ny mety ho fizotr’izany ihany izahay. Tsy asa mora ny fanaraha-maso an-dranomasina – be ny zavatra ianarana. Amin’ny harana any atsimo-andrefan’i Madagasikara, dia tokony hahafantatra ireo karazan-trondro miisa 150 ianao, karazana “benthique” miisa 34 (izay rehetra maniry amin’ny fanamban’ny ranomasina, toy ny harana, spaonjy na ahi-dranomasina), sy ireo fomba fanaraha-maso isan-karazany, ary hahay hanombana ny akon’ny famotsiana haran-dranomasina. Eo ihany koa ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-fandriampahalemana mifandraika amin’ny filentehana…

Tsy mora foana ny fampiofanana an’ireo mpirotsaka an-tsitrapo – matetika izy ireo dia sosotra rehefa tsy mahavita mitadidy ireo antontam-baovao be dia be mila fantarina mandritra ny fiofanana. Nanahy aho hoe ho toy izany koa ireto ekipam-pokonolona mpanara-maso ireto, sao tsy hahaliana azy izany. 

Saingy soa ihany, diso hevitra tanteraka aho.

Fantaro ny ekipa

Ankavia miankavanana: Jacks, Ronaldo, Patin, Damasy, Sylvestre | Sary: Tako Solontena

Noho ny fiofanana ara-siantifika, dia nahay zavatra mahaliana be dia be aho, toy ny fomba fizotry ny fiainana an-dranomasina, ny fifandraisan’ny haran-dranomasina sy ny trondro, ny fomba ahafantarana ireo karazam-biby an-dranomasina hafa,” Damasy – mpikambana amin’ny ekipa mpanara-maso an-dranomasina ao Velondriake

Damasy sy Sylvestre, Ronaldo ary Patin dia tovolahy Vezo mpanjono, ary mpikambana anatin’ny fikambanana Velondriake (fikambanam-pokonolona izay mitantana ny LMMA). Izy efatra ireo dia azo atao hoe nandray anjara tamin’ny asan’ny Blue Ventures ao Andavadoaka; Damasy sy Ronaldo dia mpisitraka vatsy taloha, Patin dia manoratra hira ary manao raki-tsary miaraka amin’ny ekipam-panentanana eo anivon’ny fokonolona, ary i Sylvestre no Vezo voalohany avy ao Andavadoaka mpikambana amin’ny fikambanana fanta-daza amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina, IH.SM ao Toliara. Jacks no zokiny indrindra anatin’ny vondrona, ary efa mpitarika mpizaha tany manaja ny tontolo iainana tao Velondriake no sady mpampita hafatra amin’ny fokonolona ho an’ny tetikasa fitsidihana.

Ho an’ny mponina ao Andavadoaka, sarotra ny fiainana. Maro ireo fianakaviana miankina amin’ny jono ho antom-pivelomany, saingy noho ny rivotra sy ny onja mahery, ary ny trondro miparitaka, dia tsy azo antoka izany fidiram-bola izany indraindray. Tsy misy hafa amin’izany ny tantaran’ireo ekipa mpanara-maso, saingy ankehitriny kosa, ny fandraisany anjara amin’ny fanaraha-maso ny tontolo iainana dia midika fa manana fidiram-bola matotra izy, ary afaka maneho hevitra, araka ny nolazain’i Jacks tamiko, “tsara ny vokatra tamin’ny fiainako ary afaka manentana sy mampianatra ny mpiara-belona amiko aho”.

Hatramin’ny nanombohan’izy ireo ny fiofanana, dia afaka nanatrika fivorian’ny Fikambanana Velondriaka maromaro izy ireo ary afaka nizara ny traikefany tamin’ny fiteniny any amin’ny fokonolona misy azy. Vao haingana izay, nandeha nanatrika fivoriam-pokonolona tao amina tanàna misy havan’i Patin izahay; nihaino tsara ny mpanatrika ary toa liana tamin’ny famelabelarana satria nisy olom-patany.

Mila manabe ny mpiara-belona isika mba ahafahantarany ny fomba fiarovana tontolo iainana,” hoy Patin, “amin’izay afaka miaro ny taranaka isika no sady miaro ny harena an-dranomasina”.

Amin’ity tetikasa fanaraha-maso ny tontolo iainana ity, dia mikendry ny hampihena ny fotoana manasaraka ny fanangonam-baovao sy ny fotoana hampitàna izany vaovao izany amin’ny fokonolona izahay. Ny fananganana ekipa Vezo rano iray dia mampirindra ny fomba fiasa, ary lalina sy mahaliana ary misy vokany kokoa ny adihevitra momba ny jono.

Tombontsoa maro ho an’ny fiarovana

Na dia liana dia liana tamin’ny fiarovana ny tontolo an-dranomasin’i Madagasikara ary ireo vondrona mpirotsaka an-tsitrapo tamin’ny fitsidihana, dia azo lazaina fa tsy niankina tamin’izany ny antom-pivelomany. Ho an’ity ekipa vaovao avy amin’ny fokonolona ity, dia fantany tsara fa hisy akony mivantana amin’ny hoaviny izao fanaraha-maso izao, “Zava-dehibe ho amin’ny hoaviko ny fiarovana ny ranomasina,” hoy Ronaldo, “raha azontsika atao ny mampitombo ny isan’ny trondro, dia ho mora kokoa ho an’ny mponina Vezo ny honina ety amin’ny fomba maharitra kokoa”.

Ankehitriny, noho ny tetikasa ara-siantifika vaovao, dia mifandray kokoa ireo olona manangom-baovao sy ny ezaky ny fokonolona amin’ny fiarovana ny ranomasina.

Mahafinaritra ny miara-miasa amin’ity ekipa mpiaro ny ranomasina ity, satria mety amin’ny fiainako. Fantatray ny lanjan’ny fisian’ny fiainana an-dranomasina, ary fantatray ihany koa ny vokatry ny tsy fisian’izany. Raha mirotsaka amin’ny fiarovana ny ranomasina izahay, dia mety hamiratra kokoa ny hoavy,” hoy Sylvestre tamiko.

Izany fahalalàna lalina ny ranomasina sy ny fiankinan-doha aminy izany dia nandray anjara lehibe tamin’ny fampiofanana. Ireo olona dimy tanatin’ny ekipa dia nisy fotoana efa mpanjono avokoa – i Patin mpanjono amin’ny lefona, izany hoe nilomano teny amin’ny haran-dranomasina izy mba hanjono. 

Raha nampianatra azy ireo ny momba ireo karazan-trondro sy “benthiques” an-jatony izahay sy James, dia nivoaka ho azy ny fahalalàny amin’ny maha-zanatany azy. Fantatry ry zalahy ny harany, fantany ny trondrony, sy ireo hazan-dranomasina hafa! Ho azy, ny fampiofanana dia fotoana nianarana fotsiny ireo anarany amin’ny teny Anglisy, ny fifandraisana misy eo amin’izy ireo ary ny fomba fanaraha-maso ny harana. 

Fotoana fifanakalozana traikefa sy fifampianarana ho anay rehetra iny; na dia izaho ary no mpampianatra, dia nahay zavatra maro avy amin’ireo mpianatro aho. Ohatra, afaka miteny amiko eo noho eo ny ekipa hoe aiza ho aiza eny amin’ny harana no ahitàna ny karazan-trondro iray, na amin’ny fotoana inona no mahabetsaka azy. Amiko manokana izany fifampizaràna traikefa izany dia nanampy ahy hanomana ireo fanaraha-maso any amin’ny LMMA ao Velondriake, izay antenaiko fa hitohy hitombo ny fitantanan’ny fokonolona azy ary ho tohanan’ny traikefa nentim-paharazana Vezo. 

Fiarovana ny lovany

Hatreto dia ny fanaraha-maso ny haran-dranomasina sy ny ahi-dranomasina ihany no nianaran’ny ekipa, saingy tia hanitatra izany amin’ny ala honko aho mba ho voajery ireo fonenana an-dranomasina telo lehibe; mihetsiketsika izao ny tetikasa Blue Forests, saingy amin’izao fotoana dia ambony ranomasina avokoa ny ankamaroan’ny fanangonam-baovao. Maro ihany koa ireo olona avy amin’ny fokonolona liana amin’ny fiofanana manerana an’i Velondriake, saingy noho ny valan’aretina dia ireo avy ao Andavadoaka ihany aloha no azonay hofanina. Rehefa azo atao izany, dia tsy ho andrinay ny hanitatra sy hampifangaro ny ekipa mba ahafahana manamafy ny fanaraha-maso ifotony ny ranomasina, sy mahafantatra misimisy kokoa momba ny fiainan’ny fokonolona miaraka amin’ny ranomasina, mba hitarihana ireo ezaka fiarovana ifotony.

Ny tanjona fototra anefa, dia ny fanamafisana fa mahaleo tena arak’izay azo atao ny ekipa vaovao mpanara-maso ny tontolo an-dranomasina. Ny fampiofanana azy hanangona irery ny vaovao momba ny tontolo iainana, dia ahafahana miaro ny ranomasina maharitra kokoa any Velondriake – rehefa tonga ny krizy, dia hainy fa tsy tokony hiandry ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy any ivelany izy fa afaka manohy irery ny fanaraha-maso ny toetry ny ranomasiny. Ny dingana manaraka dia ny fampiofanana an’i Sylvestre, Jacks, Damasy, Patin ary Ronaldo amin’ny fandalinana ny vaovao, mba ahafahany mampita avy hatrany ireo vaovao momba ny jono amin’ny fokonolona sy manampy amin’ny fandraisana ireo fanapahan-kevitra momba ny fitantanana maharitra ny jono.

Ho an’ny mponina Vezo ao Andavadoaka, dia niankina tamin’ireo riaka tropikaly manan-karena ny fiainana hatramin’izay; noho izany dia rariny raha izy no manapa-kevitra momba ny fomba tsara indrindra hiarovana sy hitandroana ny harena an-dranomasina ao Velondriake ho an’ny taranaka amam-para – araka izao filazan’i Damasy azy izao,

Raha tiana holovain’ny taranaka amam-para ireo harena an-dranomasina ireo, dia tokony tandroantsika ny tsy faharipahany. Ampahany amin’ny fiainan’ny olombelona ny fiarovana ny fiainana an-dranomasina.”


Isaorana manokana ny mpiara-miasa amiko James Paul, izay mpandika teny sy tanan-kavanako nandritra ny fampiofanana ara-tontolo iainana.

Isaorana ihany koa ny Fikambanana Velondriake sy ireo mpiara-miasa amiko ao amin’ny Blue Ventures ao amin’ny Ekipa Mpanohana ny Fikambanana (AST), Ekipa Fiompiana trondro, Ekipa Blue Forest, Ekipa Fanaraha-maso, Mpanombana & Mpampianatra (MEL), Ekipa Mpanabe, Ekipan’ny Jono ary ny Ekipa Mpandrindra.


 

Posted by Javier del Campo Jimenez

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *