This post is also available in: English

Tao amin’ny biraoko aho tamin’ny taona lasa no nihaino ity mpiara-miasa faly mitantara fa faritra telo fanjonoana horita izay nakatona, tany amina firenena telo samihafa mielanelana an’arivony kilometatra no nisokatra indray, ka nielanelana iray volana monja avy izy telo ireo.  Raha mbola teo am-pitantaràna ny an-tsipiriany izy dia nisy hevitra nitsiry tato an-tsaiko…

Efa an-taonany maro no niandraiketanay ireo hetsika ireo, indrindra amin’ny alalan’ny lahatsoratra sy tantara an-tsary, saingy hatreto aloha dia tsy mbola nanao horonantsary izahay mandrakitra ny hafalian’ireo vondrom-piarahamonina mijinja ny vokatry ny hasasàrany sy ny faharetany rehefa misokatra indray ny fanjonoana. Mazàna dia ankalazaina amin’ny fety makotroka izany fisokafana izany, satria dia mivory ireo fianakaviana, mpanjono, tompon’andraiki-panjakàna, mpitarika fiangonana ary mpiaro ny tontolo iainana mba hihira sy handihy, hivavaka ary hifaly mialohan’ny andehanana manjono – voalohany indray tanatin’ny volana maro.

Nandritra ny 15 taona no niarahan’ny Blue Ventures niasa voalohany tamin’ny fokonolona  Velondriake any Madagasikara mba hanakatonana fohy ny fanjonoana horita, dia nahita izy ireo  fa misy voka-tsoa ara-toekarena ny fampiàtoana ny fanjonoana mandritra ny fotoana voafetra, ary nampavitrika azy hampihàtra ireo fepetra fiarovana ny tontolo iainana misimisy kokoa izany. Nanomboka hatreo dia nihitatra manerana ny nosy ny fampiàtoana fohy ny fanjonoana, ary nampiharina tamina firenena 10 (folo)  samihafa tany amin’ny tropika izany, saingy tsy mbola niara-nankalazaina mihitsy.

A traditional dance marks the opening of the octopus fishery closure in Darawa, Indonesia.

Izany fanokafana saika nifanindry izany dia nahafahanay nitantara ny momba ny fampiàtoana fohy ny fanjonoana horita, tamin’ny alalan’ny horonantsary avy amin’ny fomba fijery telo samihafa saingy samy manan-danja. Ny vondrona Velondriake any Madagasikara, ela nihetezana tamin’ny fampiharana ny fampiàtoana, dia hahafahana mandalina kokoa ny fomba nampiasàna izany fampiàtoana izany sy ny akony nandritra ny fotoana maharitra. Ny vondrona Indoneziana ao amin’ny nosy Darawa dia vao eo amin’ny fanakatonana fanindroany monja, ka hahafahana mahita ny fanombohana fampiharana ny fampiàtoana  ary any Kaomoro kosa, sambany izy ireo nanandrana voalohany ny fanakatonana, ka ho hita amin’izany ny fihetseham-pony aorian’ny fanokafana.

Mazava ho azy ny hetsika maneran-tany dia mila ekipa maneran-tany hiandraikitra azy, ka nanana andraikitra lehibe ireo mpiara-miasa avy amin’ireo firenena ireo (izay avy amin’ireo vondrom-piarahamonina mihitsy ny sasany) tamin’ny fanangonam-baovao ho an’ilay horonantsary. Niara-niasa tamin’izy ireo aho  tamin’ny famolavolana lisitra amin’ny fizotra ny fanadihadiana, ary nanome torolalana ara-teknika ho an’ny fakàna sary. Saingy ny tena faniriako dia ny hanehoan’ireo vondrom-piarahamonina sy ireo mpiara-miasa malalaka ny fahaiza-manaony, mba ho hita taratra anatin’ny horonantsary ny fomba fijeriny ary handeha ho azy ny fitantaràna.  Hisongadina anatin’ity horonantsary ity avokoa na ny fihetseham-po tsara na ny ratsy tamin’ireo fanokafana, ary nankinina tamiko ny fandrindràna ireo sary azo teny an-toerana.

Arak’izany dia  nanomboka ny fakàna sary niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eny an-toerana ary koa  ny fanombohan’ny fanokafana.

Somary ela noho ny araka ny eritreriko  ny fandrindràna ireo vontoatin-tsary an-jatony “gigabytes”, ary eo koa ny olana ara-teknika efa mahazatra: ny fampidirana sy fandikàna tenin’ireo horonantsary, ny fampiarahana horonantsary samihafa kalitao, ary ny fitadiavana fomba hampirindra ireo tantara avy amin’ireo fanadihadiana azoko. Ny horonantsary vokatr’izany, ‘FANOKAFANA’ (“Opening”), dia fanehoana somary miavaka, manahirana maso indraindray nefa avy ao am-po, momba ny fihetseham-pon’ireo vondrona tsirairay tamin’ny fanokafana ny fanjonoana, ora, andro ary herinandro maro taty aoriana. Efa nivoaka izy ity, ary tsara ny fandraisan’ny olona azy. Faly ireo vondrom-piarahamonina mahita fa tafiditra anatina hetsika lehibe kokoa maneran-tany ny ezaka fampiàtoana ataony, mba hanentanana ireo vondrona handrindra ifotony ny fari-dranomasiny. Manantena aho fa ho tianao koa izany ary  azonao jerena maimaim-poana ato:

 



Read about how participatory video can empower communities to tell their stories.


 

Posted by Matthew Judge

Matt joined Blue Ventures to help develop video and learning resources for conservation partners globally, and to aid in the dissemination of key information to relevant people working with Blue Ventures across the world.

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *