This post is also available in: English French

Migodogodona ny andian’omby mandalo eo anoloan’ny birao kelin’ny Blue Ventures ao an-tanànan’i Besakoa, izay midika fa hariva ny andro ary tonga ny lera fodian’ny tsirairay. Eo amin’ny écran-ko, mamerina mijery ny vokatry ny hetsika fampianarana mamaky teny sy manoratra ho an’ny olon-dehibe izay karakaraiko aty amin’ny helidranon’i Mahajamba, avaratra-andrefan’i Madagasikara aho, ary faly aho mijery izany.

Ny ankamaroany (71%) dia tsy mba nandia fianarana hatramin’izay niainanyMpanjono madinika ao amin’ny helidrano avokoa ireo mpianatra, ary vehivavy ny antsasamanila. Ny ankamaroany (71%) dia tsy mba nandia fianarana hatramin’izay niainany. Kanefa ny 93% an’ireo nanao ny fanadinana antenantenam-potoana momba ny fanoratana sy ny kajy dia nahazo naoty ambonin’ny salan’isa avokoa.

Vao nifarana mihitsy ny tapany voalohany tamin’ny hetsika fampianarana mamaky teny sy manoratra no tonga teto Madagasikara ny COVID-19. Niato noho izany ny fizotry ny ankamaroan’ireo hetsika nataonay. Nandritra ny telo volana dia asa ampitain-davitra no natao ary niomana ho an’ny fiverenana amin’ny laoniny izahay, nitady ny fomba tsara indrindra anohizana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, izay tena ilain’ny vondron’ireo mpanjono iarahanay miasa ao amin’ny helidrano.

Ankehitriny dia efa miverina ireo fampianarana, ary antony faharoa mahafaly anay ny vokatr’ireo fanadinana antenantenam-potoana.

Natomboka tamin’ny herintaona mahery kely teo ny asa fanampiana mamaky teny sy manoratra taty amin’ny helidranon’i Mahajamba. Iray tamin’ireo antony nahatapa-kevitra anay ny havitsian’ireo nanolo-tena tao an-tanàna raha nanao antso fampiofanana amin’ny fanangonana antontan-kevitra momba ny jono ny Blue Ventures.

Ireo antontan-kevitra siantifika mifototra amin’ny zava-misy dia mampahafantatra sy manampy amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny sehatry ny jono, ary zava-dehibe ho an’ny fampiharana ireo fepetra fitantanana ifotony maharitra ny harena an-dranomasina.

Rehefa olona avy amin’ny fokonolona ao an-toerana mihitsy no manao ny angom-baovao, dia azo atao fitaovana izany hanomezan-danja ny zo sy ny fanirian’ireo mpanjono madinika sy ny fiaraha-monina misy azy. 

Noho izany dia nanao peta-drindrina izahay tany amin’ireo tanàna 14 misy ireo mpanjono iarahanay miasa, mba hanambarana fa mitady sy mampiofana mpanangom-baovao momba ny jono izahay. Nohazavaina tsara tamin’ny fitenim-paritra tao an-toerana ny momba izany. Saingy nandeha ny fotoana, ary gaga izahay fa ny tanàna sasany dia tsy nahitana solon-tena na dia iray aza, ary ny hafa dia roa monja raha nisy.

Nanao fifanakalozan-kevitra isaky ny tanàna tsirairay izahay, mba hihainoana ireo mpanjono sy hahafantarana ireo sakana tsy nahafahany nirotsaka ho mpanangom-baovao. Tsotra ny anton’izany : ny ankamaroan’ny mponina tao amin’ny faritra dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra. 

Ho an’ireo mahay mamaky teny sy manoratra, dia somary novaina ny fanadinana mba ahafahan’ny rehetra mandray anjara, tamin’ny alalan’ny famakiana mafy ireo fanontaniana voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Arak’izany dia mpirotsaka an-tsitrapo 8 no voaray. Nahatalanjona ny fahavononana sy ny firotsahan’izy ireo amin’izany asa fanangonam-baovao izany, izay asa tena ilaina kanefa mavesatra sy mila fifantohana.

Saingy mbola vitsy raha mpanangom-baovao 8 monja no isahana ny tanàna 14.

Miasa any amin’ny faritra alavitra izahay, tsy ahitana sekoly firy, ary sarotra ahitana fanohanana.Tsikaritray fa matetika mandritra ireo fanadinana, rehefa tononina mafy ny fanontaniana, dia misy olona izay mijery eny aoriana, manome ny valinteny marina. Saingy tsy afaka raisina izy ireo satria tsy mahay mamaky teny sy manoratra, nefa tena ilaina izany amin’ity asa ity.

Miasa any amin’ny faritra alavitra izahay, tsy ahitana sekoly firy, ary sarotra ahitana fanohanana. Nila nitady fomba izahay amahana izany olana izany sy ametrahana fotoam-pampianarana mamaky teny sy manoratra izay takatry ny olona rehetra, mba ahaizany manoratra, mamaky teny ary manao kajy tsotsotra mba ahafahany mitantana ifotony ny harena ao aminy.

Tsara ny manamarika fa izany olana izany dia nanakana ireo mpanjono madinika tsy hirotsaka betsaka tamina sehatra hafa ankoatry ny angom-baovao. Tsy maintsy mahay mamaky teny sy manoratra ihany koa ireo mpikambana anatin’ny biraon’ny fikambanana samihafa izay mitantana ireo harena mahakasika ny jono sy ny ala honko, ary koa ireo vaomeran’ny fahasalamana izay mitondra fitsaboana fototra an-tsitrapo eo amin’ny tanàna misy azy. 

Ireo fampiharana dia miainga avy hatrany amin’ireo asa fitantanana ny harena an-dranomasina ao an-toerana, toy ny fampidirana ny angom-baovao anatin’ny kahie fanaraha-maso, ny famenoana fafana fanaovana teti-bola na ny fandraketana an-tsoratra ny fivoriana. Ny tanjona tena kendren’izany fampianarana izany dia ny fampitana fahalalana momba ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, ny fampiharana ireo teknika fototry ny fitantanana ara-taratasy, ara-drafitra ary ara-bola.

Nanomboka tamin’ny septambra 2019 ny hetsika fampianarana mamaky teny sy manoratra. Mpampianatra dimy avy ao an-tanàna, vehivavy roa sy lehilahy telo, nazoto tamin’ny fanampiana ireo mpiara-monina aminy, no nahazo fampiofanana avy tamin’ny fikambanana tao an-toerana, SOAMANEVA. Avy eo izy ireo nitarika fampianarana nandritra ny adiny roa, in-telo isa-kerinandro tany amin’ny tanàna 10 samihafa, nandritra ny volana maro.

Koa satria moa izy io dia fampianarana arak’asa, ny tanjona araka izany dia ny hanome ireo fahalalana sy traikefa ilain’ireo mpianatra mba ahafahany mitana andraikitra sy hanaovana asa fampivoarana ny tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo. Ireo fampiharana dia miainga avy hatrany amin’ireo asa fitantanana ny harena an-dranomasina ao an-toerana, toy ny fampidirana ny angom-baovao anatin’ny kahie fanaraha-maso, ny famenoana fafana fanaovana teti-bola na ny fandraketana an-tsoratra ny fivoriana. Ny tanjona tena kendren’izany fampianarana izany dia ny fampitana fahalalana momba ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, ny fampiharana ireo teknika fototry ny fitantanana ara-taratasy, ara-drafitra ary ara-bola.

Nandritra ireo fampianarana voalohany dia maro ireo mpianatra no menatra, satria “toy ny fianaran-jazakely” ny fianarany ny abidia. Saingy tsikelikely dia namorona teny, dia avy eo fehezanteny, ka faly tamin’ny ezaka vitany izy ireo. Rariny tokoa izany. Indro misy sary roa mampiseho ny làlana nodiavin’ny iray tamin’ireo mpianatra. Efapolo taona lasa izay, taom-pianarana roa monja no afaka natrehiny tany amin’ny sekoly ambaratonga voalohany. Voasafidy ho mpanangom-baovao izy ka nanapa-kevitra ny hanaraka ny fampianarana mamaky teny sy manoratra mba hanatsarana ny sora-tanany (sary 1). Rehefa nianatra nandritra ny 78 ora izy dia toa izao ny soratanany (sary 2). Ankoatran’ny maha-mpanangom-baovao mavitrika azy, dia filohan’ny fikambanan’ny mpanjono ao an-tanànany koa izy ankehitriny.

 

Any amin’ny tanàna iray hafa any amin’ny helidrano, tantara iray hafa nanamarika ny mponina : misy vehivavy iray, mpikambana anatin’ny fikambanam-pokonolona miaro ny tontolo iainana, mampanoratra taratasy amin’ny mpiray vodirindrina aminy isam-bolana ho an’ireo zanany mianatra any amin’ny renivohi-paritra. Rehefa nianatra namaky teny sy nanoratra nandritra ny volana maro izy, dia nahavita nanoratra samirery ny taratasiny voalohany. Rehefa tonga ilay taratasy, ka hita fa tsy mitovy amin’ny mahazatra ilay soratanana fa voakaly, hay vakiana ary tsy misy diso, dia niantso ny reniny ireo ankizy mba hanontany izay olona nanoratra azy ity. Tsy maintsy nandray penina sy nanoratra teo imason’izy ireo ilay reny izay vao nino ireto zanany fa tena izy marina no nanoratra, no sady latsa-dranomaso izy ireo nahita izany.

Amiko kosa, ny nahavariana ahy indrindra, dia raha 71% an’ireo mpianatra no tsy nahay namaky teny sy nanoratra teo aloha, dia toy ny efa nahay izany hatramin’izay kosa izy ireo ankehitriny, toy ny olon’afaka. Ny fanalana izany sakana izany dia nanosika azy ireo handray an-tanana ny ho aviny. 

Ankehitriny dia mpikambana anatin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana any amin’ny tanàna misy azy avy daholo ireo mpianatra rehetra, raha toa ka 34% ihany no mpikambana tamina fikambanana fony izy ireo nisoratra anarana tamin’ny fampianarana mamaky teny sy manoratra. Maro ireo mpikambana anaty birao, ary ny telo amin’izy ireo dia lasa Filohan’ny fikambanana misy azy.

Rehefa manao asa fanohanana amin’ny fiarovan’ny fokonolona ny harena an-dranomasina, dia mahalana raha mahita fitaovan-mpanovana tsotra, kanefa mitondra voka-tsoa mivaingana sy malaky.


Fantaro bebe kokoa ny momba ireo mpanangona antontan-kevitra avy amin’ny fokonolona eto Madagasikara (amin’ny teny anglisy)


Ny sary rehetra ato amin’ity “blog” ity dia nalaina talohan’ny valan’aretina COVID-19. Mitohy ny fianarana mamaky teny sy manoratra, ary manaraka ny toromarika momba ny fahasalamam-bahoaka izany.

Posted by Erica Judith Vanelle Damo

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *