This post is also available in: English French

Tantaran’ny mpiara-miasa, namana ary mpiara-monina, manokana ny fiainany ho an’ny honkon’i Madagasikara

Ho an’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny tontolon’ny honko, ny 26 jolay, dia nitafa tamin’ireo fokonolona monina sy miasa any anaty ala honko ny ekipanay eto Madagasikara. 

Nanontanianay azy ny biby tiany indrindra ao anaty ala honko, ny zavatra niainany sarobidy indrindra ary ny ahiahiny momba ny asany any amin’izany ala mahafinaritra nefa marefo izany. Nanontanianay azy ihany koa ny mety holazain’ireo honko ireo raha mba afaka niteny izy ireo…

Clovice Boto

Teknisianina momba ny Honko, heli-dranon’i Mahajamba, Avaratra-Andrefan’i Madagasikara

Clovice hard at work in the muddy mangroves

Clovice Boto no anarako. Monina ao Besakoa aho, ao avaratra-andrefan’i Madagasikara any amin’ny heli-dranon’i Mahajamba. Teknisianina momba ny Honko ao amin’ny Blue Ventures aho.

Mandray anjara amin’ny fanisana sy ny fanaraha-maso ny honko any amin’ny faritra voaharo ao Antrema aho, midika izany fa manombana ny habetsaky ny fikapana hazo izahay, mialohan’ny hanaraha-maso ny asa fikapana hazo tsy ara-dalàna sy ny ezaka fambolen-kazo. Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso ireo fambolena honko ataon’ny fikambanan’ny mpanjono ao Boanamary koa aho, iarahana amin’ny GIZ, izay mpiara-miasa amin’ny Blue Ventures, ao anatin’ny Lamin’asa Fanohanana amin’ny Fitantanana ny Tontolo Iainana (“Programme d’Appui à la Gestion de l’Environnement” – PAGE). Mba ahatakaran’ny fokonolona ny lanjan’ny fiarovana ny honko, dia manome fampiofanana sy fanentanana momba ny tontolo iainana koa aho an’ny amina sekoly dimy ao Mahajanga.

Raha amin’ireo biby monina any anatin’ny ala honko, dia ny vorona no tiako indrindra. Tsy sasatry ny mankafy azy ireo aho, sy mandinika ny fihetsiny rehefa manidina eny ambonin’ny ala honko izy.

Ny fahatsiarovana tsara indrindra ho ahy amin’ny ala honko, dia ny andro nivorian’ny mpiara-monina maro be tao Antangena, tanàna kely ao amin’ny heli-dranon’i Mahajamba, hanaovana fambolena ala honko. Niara-namboly voa honko an-jatony maro izahay. Tadidiko ny hasambarako sy ny hafaliana nameno ny mpiara-monina rehetra, niara-niasa hiaro ny tontolo iainany.

Kanefa, ny fahatsiarovana mampalahelo ahy indrindra amin’ny honko dia ny antony tsy maintsy anaovantsika ireny fotoam-pambolen-kazo ireny ; mbola sarotra ho ahy ny mijery ireo hazo kapaina sy mahita ny fanararaotana diso tafahoatra ireo harena voajanahary anaty ala honko (na hazo izany, na biby, na trondro) satria mitarika ny fahantrana lavareny eo anivon’ny fokonolona amorontsirak’i Madagasikara izany.

Amiko, raha afaka niteny ny honko, dia hoy izy hoe:

Aoka izay. Arovy izahay. Arovy ny fonenan’ireo harena an-dranomasina ireo satria vonona hanome anareo izay ilainareo izahay.”

Rabenoely

Mpanjono sy filoha lefitry ny fikambanana mpitantana ny fari-dranomasina tantanina ifotony (AMGL) Tambatra, heli-dranon’i Mahajamba, avaratra-andrefan’i Madagasikara

Rabenoely no anarako, saingy Baban’i Bolida no fiantsoana ahy. Monina ao an-tanànan’Antangena aho, any amin’ny heli-dranon’i Mahajamba. Mpanjono aho ary filoha lefitry ny fikambanan’ny mpanjono Tambatra, izay natsangana niaraka tamin’ny fanohanan’ny Blue Ventures.

Amin’ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo, dia mampianatra ny mpiara-monina sy ireo mpikambana anatin’ny fikambananay ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ireo ala honko aho. Mandray anjara matetika amin’ireo hetsi-pokonolona fambolena ala honko ihany koa ny tenako.

Ny vorona mpanjono, antsoina hoe Ankoay amin’ny teny gasy, no karazam-biby tiako indrindra ao anatin’ny ala honko. Manana hery sy tanjaka ahafahany miaina sy manjaka any amin’ny toerana misy azy izy.

A Madagascar fish eagle takes flight in Ankatafa, Ambanja | Photo: Louise Jasper

Rehefa ao anatin’ny ala honko aho, dia tiako ny mijery ireo hazo ao anaty ranomasina rehefa miakatra ny riaka. Madio ny rivotra ary mahatsiaro ho afaka aho. Mahatsiaro ho toy ny anaty paradisa aho rehefa manjono mandritra ny fiakaran’ny rano.

Misy fahatsiarovana mahafinaritra koa tsaroako manokana : tamin’ireo mpiara-monina amiko, miisa 150, niara-nianatra namboly honko, nanangona ny voa ary niara-niasa tamin’ny famerenana ny fambolena ireo honkon’ny Tambatra.

Saingy malahelo aho mahita fa mbola tsy tonga saina foana ny olona sasany ny amin’ny lanjan’ny ala honko, ny tsy firotsahan’ny andrim-panjakana sasany ary ny fahafatesan’ny honko noho ny fihotsahan’ny tany sy ny fisian’ny dilatra.

Amiko, raha afaka niteny ny honko, dia hoy izy hoe:

Vonjeo, vonjeo, arovy izahay.”

Giamalidiny Jaofary

Teknisianina amin’ny fambolena sy fanabeazana, heli-dranon’i Tsimipaika, avaratra-andrefan’i Madagasikara

Giamali (right) monitoring the progress of replanted mangroves

Giamalidiny Jaofary no anarako. Manampy ara-teknika amin’ny fambolena honko eo anivon’ny ekipan’ny Blue Ventures any Ambanja, any avaratra-andrefan’i Madagasikara aho.

Miasa amin’ny fiarovana ny ala honko amin’ny fomba telo ny tenako : Miresaka amin’ireo mpiara-monina ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny honko ; manofana azy ireo amin’ny teknika fambolena honko ; ary manara-maso ireo voly mba anombanana ny taham-pahavelomany ary, raha ilaina, dia mandamina ny fotoam-pambolena fanampiny.

Ny biby tiako indrindra amin’ny honko dia ny drakaka. Fihinana izy, ka mamatsy antsika ny proteinina ilaintsika, no sady fidiram-bola ho an’ireo fokonolona amoron-tsiraka. Ary mahavariana ahy foana ny fahafahany misitrika any anaty fotaka !

Indray andro, niaraka tamin’ny lehibem-pokonolona izahay nanangona “points GPS” tany anaty ala honko, dia very tany an’ala nandritra ny tontolo andro. Tafody soa aman-tsara izahay, reraka, ary lanin’ny moka… saingy faly dia faly noho izany andro nolaniana tany amin’ny ala mahafinaritra izany !

Ny fahatsiarovana mampalahelo ahy indrindra dia ny nahitako fa nisy nikapa ireo honko nambolen’ny mpiara-monina avy ao Maropamba. Indrisy fa rehefa tsy manana fidiram-bola hafa ny olona dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mikapa honko.

Raha nahay niteny ny honko dia hoy izy hoe: 

Tsy azonay ny toetran’ny olombelona. Simbainy izahay, kanefa raha arovany dia afaka manome azy fanjariana ara-tsakafo, tontolo mahasalama ary fidiram-bola. Arovy izahay raha te hanatsara ny fiainanareo ianareo !”

Evariste

Filoha lelitry ny fikambanam-pokonolona ao Andimakafito, heli-dranon’i Mahajamba, avaratra-andefan’i Madagasikara

Evariste evaluates mangrove growth after replanting

Evariste no anarako, monina ao an-tanànan’i Andimakafito aho, any amin’ny heli-dranon’i Tsimipaika, any avaratra-andrefan’i Madagasikara. Filoha lefitra ao amin’ny fikambanam-pokonolona mitantana ifotony ny ala honko aho. Mpitarika fokonolona amin’ny fambolena honko ihany koa ny tenako.

Mba hiarovana ny honko, dia miara-miasa amin’ireo mpiara-monina sy ireo mpikambana anatin’ny fikambanam-pokonolona aho amin’ny fambolena honko, ary manara-maso izany fambolena izany ny tenako.

Ny fahatsiarovana tsara indrindra tamin’ny honko dia tena efa ela, tamin’ny mbola tsy simba ny ala honko. Tsotra ery ny fitadiavana hazo ilaina amin’ny fanamboarana trano, ary tsy nila nandeha lavitra raha hitady drakaka hohanina. Indrisy taty aoriana, nihasimba ny honko, nihasarotra ny fihazana drakaka sy trondro. Ankehitriny aho dia mahita fa miverina tsikelikely ny fiainana anaty ala honko, noho ny ezaka fambolena ataon’ny fokonolona.

Raha nahay niteny ny honko dia mety hoy izy hoe :

Aza simbaina izahay. Raha velona izahay, dia afaka manome fiadanana ho anareo, sy miaro ny morontsiraka isorohana ny tondra-drano eny an-tsaha sy an-tanàna.”

Aina Celestin

Mpampifandray amin’ny fokonolona, heli-dranon’ny Fanemotra, atsimo-andrefan’i Madagasikara

Aina Célestin no anarako. Monina ao Andavadoaka aho, any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Ny tanàna niaviako dia voahodidina ala honko mahafinaritra, saingy nandritra ny fiainako dia nahita izany potika tsikelikely aho. Tao amin’io tanàna io no nahaterahako, ary tsapako fa adidiko ny miaro azy. Rehefa niasa an-taonany maro amin’ny maha-mpanara-maso ny ala tao amin’ny valan-javaboary Mikea – eo anelanelan’i Toliara sy Morombe any atsimo-andrefan’i Madagasikara. Niditra niasa tato amin’ny Blue Ventures aho mba hanohanana ny Tahiry Honko, tetikasam-pokonolona lehibe indrindra maneran-tany amin’ny fitahirizana karbaonina amin’ny honko.  

Amin’ny maha-mpampifandray amin’ny fokonolona ahy, dia manohana ireo fiaraha-monina anatin’ny tetikasa Tahiry Honko aho amin’ny ezaka fambolen-kazo, ary manampy ihany koa amin’ny fametrahana ny kaomitim-pokonolona manara-maso sy manombana any amin’ny faritra. 

Nandritra izay fotoana izay, dia maro ireo zavatra niainako tany anaty ala honko, saingy ny tranga nahafinaritra indrindra niainako dia ny nahitana ny karazana ramanavy Pterofus rufus tany anaty ala honko akaikin’ny tananako. Sady vorona izy nefa mampinono, karazam-biby tsy hita raha tsy aty amin’ny fireneko. Tena nirehareha aho sady faly nahita fa aty amin’ny honko misy ahy no fonenany. Izany dia porofo fa voaaro tsara ny rohivoary misy azy.

Raha afaka niteny ny honko, dia mety nilaza izy hoe: 

Mendrika hanan-jo toy ny olombelona izahay. Mila karakaraina, hajaina, ary avela hiaina malalaka. Izay no fomba ahafahanay mitombo, mamokatra ary manome ireo tolotra maharitra ilainareo ho an’ny fivelomanareo”

Rtoa. Alphine

Mpanjono sy anisan’ny andrimasom-pokonolona mpiaro ny honko, heli-dranon’ny Fanemotra, atsimo-andrefan’i Madagasikara

Ms. Alphine inspects a cut mangrove tree whilst on patrol

Alphine no anarako. Avy ao Lamboara aho, tanàna kely ao afovoan’ny heli-dranon’ny Fanemotra. Ny antom-pivelomako dia ny fanjonoana orita sy ny fambolena ahi-dranomasina mena. Ny taona 2017, niditra tamin’ny kaomitim-pokonolona mpanara-maso sy mpitsirika ny honko aho, satria ny tanànako dia tafiditra anatin’ny tetikasa Tahiry Honko. Ankoatry ny asa amin’ny maha-andrimaso ahy, dia nandray anjara tamin’ny famolavolana ireo fitsipika ifotony amin’ny fitantanana ny honko ihany koa ny tenako.

Maro ireo karazam-biby mahavarina any anaty ala honko, saingy ny patsabe no tena tiako ; mora samborina toy ny foza izy, ary sady loharanon-tsakafo no fidiram-bola.

Ny fahatsiarovana tiako indrindra tamin’ny honko dia ny fotoana voalohany nanaovako andrimaso. Tsy mora izany, saingy nampazoto. Malahelo aho fa mbola misy ny olona mikapa honko, ka faly aho fa miasa amin’ny fiarovana azy.

Raha afaka niteny ny honko, dia mety nanontany izy hoe :

Manome sakafo sy rivotra madio ho anareo izahay, ka nahoana no kapainareo?”


Raha te ahafantatra bebe kokoa momba ny Tahiry Honko dia jereo ny sarimihetsika vaovao (amin’ny teny anglisy)

Posted by Blue Ventures

Blue Ventures is an award winning marine conservation charity. We rebuild tropical fisheries with coastal communities. On our Beyond Conservation blog you can hear voices from the front line of marine conservation written by our staff and volunteers.

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *