This post is also available in: English French

Eto Madagasikara, olona 500.000 no mivelona amin’ny jono : ny hazandrano no loharano fototry ny proteinina avy amin’ny biby, ary matetika dia io irery koa no mba fidiram-bolan’izy ireo.

Na dia mihena malaky aza ireo harena an-dranomasina noho ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny jono tafahoatra, tanàna 14 any amin’ny helidranon’i Mahajamba, any avaratra-andrefan’i Madagasikara, no nirotsaka tamin’ny fitantanana maharitra ireo harena an-dranomasina sy amorontsiraka ao aminy. Ny asako, amin’ny maha-Mpandrindra ara-teknika ny jono, dia ny manohana azy amin’izany dingana izany.

Saingy amina toerana misintaka toy ny helidranon’i Mahajamba, dia mbola miampy iray ny sakana sedrain’ireo mpanjono

Saingy amina toerana misintaka toy ny helidranon’i Mahajamba, dia mbola miampy iray ny sakana sedrain’ireo mpanjono : tsy azony antoka fa ho lafony avokoa ireo hazandrano, satria sarotra ho an’ireo mpanangom-bokatra ny mankao amin’ny helidrano mba hividy ireo trondro vao sy hivarotra izany any an-tanàna. Mandritra ny fahavaratra, ny volana Novambra hatramin’ny Martsa, dia efa tena sarotra ny manantanteraka izany : tapaka ny lalana, ary voafetra ny fivezivezena an-drano noho ny tafio-drivotra sy ny rivo-doza. Kanefa rehefa fahavaratra no tena maro ireo hazandrano.

Araka izany, zava-dehibe ho an’ireo mpanjono ny fahafahany manana fomba fanodinana sy fitahirizana ireo hazandranomasina. Raha tsy izany, tsy ho afa-manoatra ireo mpanjono ao amin’ny helidrano fa mitazana fotsiny ireo vokatra miha-lo fa tsy misy mihinana no sady tsy lafo. Midika izany fa herim-po very maina ny jono, ripaka tsy amin’antony ny harena voajanahary, ary tsy ampy ny sakafo sy tsy misy fidiram-bola ireo tokantrano.

Mba itahirizana ny trondro, mampiasa ny teknika nentim-paharazana fanatonoana ny trondro ireo mpanjono avy aty. Indrisy anefa fa tsy vahaolana maharitra izany teknika izany satria mandany hazo betsaka izany ; mitaky fotoana ; ary ankehitriny dia misy manondraka fanafody mamono bibikely ka mety hiteraka voka-dratsy amin’ny fahasalaman’ny mpanjifa sy ny tontolo iainana. Ary farany dia mbola betsaka ireo trondro ratsy tahiry sy tsy azo amidy (izay antsoina hoe fatiantoky ny jono). 

Ny volana May 2018, ny fikarohana momba ny lalana diavin’ireo trondro any amin’ny helidrano, manomboka eny amin’ny sambon’ny mpanjono mandra-pahatonga eny an-tsena, nataon’ny Blue Ventures niaraka tamin’ireo fokonolona sy mpanolo-tsaina ivelany, dia nampiseho fa 14% izany fatiantoky ny jono izany. Fahaverezana goavana izany satria efa mampanahy ny isan’ireo hazandranomasina kanefa tsy mitsaha-mitombo ny filàna trondro eny amin’ny tsena.

Olana mitoetra eo anivon’ireo fokonolona marefo ao amin’ny helidranon’i Mahajamba izany fatiantoka izany. Ireo mpanjono sasany tahaka an’Andriamatoa Rabenoely, izay mampihatra hatry ny ela ny fanatonoana trondro arahina famendrahana fanafody, dia manomboka manontany tena momba ny vokatr’izany amin’ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana. Zava-dehibe ny fianaran’ny fokonolona fomba tsara kokoa anodinana sy itahirizana ny trondro, toy ny fanamasahana amin’ny setroka, ny fanamainana, na ny fitahirizana azy amin’ny sira.

Izany no antony nandehanako tany Ghana tamin’ny septambra 2019, mba handray anjara tamina atrikasa iraisam-pirenena nokarakarain’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Sakafo sy ny Fambolena  (FAO) momba ny teknika FAO-Thiaroye fanodinana ny trondro (FTT)  – teknika nohatsaraina fanamasahana ny trondro amin’ny setroka.

Izany teknika izany dia amin’ny alalan’ny fametrahana ny trondro anatin’ny setroka ateraky ny fandorana hazo. Ity fomba fitahirizana sy fandrahoana ity (izay mamono ireo bibikely ao aminy), antsoina hoe « fumage à chaud », dia efa tamin’ny vanim-potoana «Préhistoire» no nisy.Izany teknika izany dia amin’ny alalan’ny fametrahana ny trondro anatin’ny setroka ateraky ny fandorana hazo. Ity fomba fitahirizana sy fandrahoana ity (izay mamono ireo bibikely ao aminy), antsoina hoe « fumage à chaud », dia efa tamin’ny vanim-potoana «Préhistoire» no nisy. Ny teknika FTT fanamasahana amin’ny setroka dia teknika «nohatsaraina», saingy mitovy ihany ny fototra iaingany.

Ankoatran’ny fahombiazan’izany amin’ny fitahirizana, izay tsy ilàna fanafody sady mampihena ireo fatiantoky ny jono, dia mihena avo roa heny ny hazo lanin’ny fatana amin’ity teknika ity raha oharina amin’ireo fomba nentim-paharazana. Mazava ho azy, na eo aza izany, tsy maintsy miezaka mitady ireo loharanon-kazo maharitra sy ara-dalàna ireo fokonolona mampiasa ny teknika fanamasahana amin’ny setroka. Ohatra, eto Madagasikara, voararan’ny lalàna ny mikapa ny ala honko. Any amin’ireo faritra iasan’ny Blue Ventures, hazo maina no ampiasaina amin’izany, ary manohana ireo vondron’olona ifotony mpitantana ny ala honko ny Blue Ventures amin’ny ady atao amin’ny fikapana tsy ara-dalàna ny ala (ohatra amin’ny fanamafisana ny andrimasom-pokonolona sy ny fambolena hazo fikapa hafa).

Mba hampiharana ireo fampianarana nandritra ny atrikasan’ny FAO sy ny valim-pikarohana natao tany amin’ny helidranon’i Mahajamba, dia nandinika sy nitafa tamin’ireo fokonolona izahay, niaraka tamin’ireo vondrona manokana eo anivon’izany fiaraha-monina izany, indrindra ireo vehivavy izay mitana andraikitra fototra anatin’ny fitahirizana, ny fanodinana ary ny fivarotana ireo hazandrano. Niaraka nandalina ireo tahirin-kevitra azo momba ny fatiantoky ny jono izahay, indrindra ireo fatiantoka mandritra ny fahavaratra. Noresahina ny momba ireo tombontsoa telo azo avy amin’ny fanamasahana amin’ny setroka : mihena ny fatiantoka, tsy mila hazo betsaka raha mitaha amin’ny fomba netim-paharazana, ka noho izany, mihena ny mason-karena sy ny fotoam-panangonam-bokatra; ary farany, voatazona ny kalitao.

Ary indrindra, mba hanamafisana miaraka fa mifanaraka amin’ny filàn’ireo mpanjono ny teknika fanamasahana amin’ny setroka no sady azo ampiharina maharitra, dia namporisihina ireo mpanjono sy mpanangom-bokatra avy ao amin’ny helidranon’i Mahajamba mba hanandrana izany teknika izany, ahitan’ny tsirairay ireo tombontsoa sy anomezana soso-kevitra momba izay fanatsarana azo atao isaky ny faritra.

Tamin’ny desambra 2019 no nampisehoana ny teknika voalohany tany amin’ny helidranon’i Mahajamba. Mpanjono 26 no nampiofanina momba izany teknika izany. Araka ny mahazatra, dia miovaova isaky ny tanàna ny fahafahana, ny firotsahana ary ny fahazotoan’ny tsirairay, ka nodinihiko tsara ny fihetsiky ny tsirairay.

All of the fishers quickly found that with this technique, their catch could be stored for at least three weeks

Vetivety dia nahatsikaritra ny rehetra fa ity teknika ity dia ahafahana mitahiry ireo trondro masaka mandritra ny 3 herinandro fara-fahakeliny, ary afaka averina masahana raha tiana itarina herinandro iray izany kanefa tsy manova ny kalitaon’ny vokatra. 

Any an-tanànan’Ambodimadiro, Andriamatoa Ifalia sy ny ankohonany, toy ireo fianakaviana mpanjono rehetra, dia efa zatra manao sy mihinana trondro voatono. Nandritra ny fampisehoana ny fanamasahana amin’ny setroka niarahana tamin’ireo mpanjono hafa tao an-tanàna, dia nahatsikaritra izy sy ny vadiny ary ireo zanany kely, fa samy hafa be amin’ny tsiron’ny trondro atono ny tsiron’ny trondro masaka tamin’ny setroka, izay azo hanina avy hatrany rehefa mivoaka ny fatana. Ny ampitson’iny, nitondra trondro maromaro Andriamatoa Ifalia mba hanamarinana fa hafa tokoa ny tsirony… ary nilaza izy fa matsiro kokoa ny trondro masaka tamin’ny setroka. Nandritra ny fampisehoana ny teknika, nahatsikaritra koa Andriamatoa Ifalia sy ny vadiny fa tsy mila arahi-maso akaiky ny fanamasahana amin’ny setroka, ka afaka manao zavatra hafa mandritra izany.

Mpanjono iray fantatro tsara Edesy, tia manandrana zava-baovao, ary nanatrika fivoriana maromaro tany aminà tanàna samihafa momba ireo fomba fitahirizana ny trondro. Isaky ny fivoriana izahay dia nampahatsiahy ny fahasorenan’ny fokonolona mahita ireo trondro very sy lo mandritra ny fahavaratra. Tapa-kevitra izy fa handresy lahatra ny olona hampiasa ny fomba fanodinanana trondro, ka nilaza fa mikasa hividy barika sy hanamboatra fatana fanamasahana amin’ny setroka.

Ho ataoko izay ilaina rehetra hahasambatra ny ankohonako,” hoy foana izy mamarana.

Manodidina ny enim-bolana taorian’ny fampianarana sy fizarana barika sivy ho an’ireo fianakaviana mpanjono, maro tamin’izy ireo no nitondra ny barikany tany amin’ny toby fanjonoany, mba tsy ivezivezena any an-tanàna. Marika izany fa an-dàlam-pampiharana ny teknika izy ireo.

Raha nahafantatra mialoha ity teknika fanamasahana ity aho, dia efa nasiako barika maro tany amin’ireo toby misy ahy, ary mety ho betsaka ny mpanjifako any Mahajanga sy Antananarivo ! Miavaka ny kalitaon’ny vokatra, na ny haleminy na ny tsirony », hoy Atoa. Felix, mpikambana anatin’ny fikambanan’ny mpanjono ao Antafiamorango, nandritra ny fivoriana faobe. Ao amin’ny trano heva nanaovana ny fivoriana, eo amoron’ny lakan-drano, efa mamisavisa ny fampiroboroboana ny varotra kasainy sy ny fanitarana ny tsenany izy.

 Ho afaka ahenako ny fandaniana ary ho afaka hamalifaly ireo zanako aho, hoy Atoa. Rabenoely nitsiky, nony tapitra ny fampisehoana ny teknika fanamasahana trondro amin’ny setroka izay natao tao an-tanànany tao Antangena.

Resy lahatra tamin’ity teknika ity Atoa. Rabenoely, izay tsy ilàna fitadiavana hazo maina betsaka mandritra ny fahavaratra raha mihoatra amin’ny fanatonoana, no sady tsy ilàna fividianana fanafody manimba ny fahasalamana. Ka izany no antony nanatsarany hatrany ny fomba fanamasahana trondro amin’ny setroka mba itadiavana ny fomba tsara indrindra hanomezana fahafaham-po ho an’ireo mpanjifa ao an-tanàna, any amin’ny faritra ary manerana ny nosy, satria zava-dehibe tokoa ny fankafizan’ny mpanjifa ny vokatra.

Ny volana martsa 2020, nisy hetsika fanentanana natao tao amin’ny kaominin’Andranoboka, faritra iray iasan’ny Blue Ventures. Indray Alakamisy, andron-tsena, nikarakara fanandramana trondro masaka tamin’ny setroka izahay mba hakana ny hevitr’ireo mpanjifa momba ny haleminy sy ny tsirony. Ny ankamaroan’ny olona dia nahita fa tsara ny tsirony, ary nilaza fa mety hividy izany matetika.

Eny anivon’ireo mpanjono sy mpanangom-bokatra, tsy mitsaha-mitombo ny fangatahana : fampiofanana tsy momba ny fanamasahana amin’ny setroka ihany, fa momba ny fanamboarana ireo barika, mba hahaleovantena sy tsy iankinana amin’ny mpanamboatra intsony..Eny anivon’ireo mpanjono sy mpanangom-bokatra, tsy mitsaha-mitombo ny fangatahana : fampiofanana tsy momba ny fanamasahana amin’ny setroka ihany, fa momba ny fanamboarana ireo barika, mba hahaleovantena sy tsy iankinana amin’ny mpanamboatra intsony.

Taorian’ny fampiharan’ny fokonolona tsikelikely ity teknika ity, dia namolavola takelaka ara-teknika mba izarana ny fizotry ny fampianarana ny fanamboarana barika, ny fomba fanamasahana, ny fivarotana ary ny fanjifana trondro masaka tamin’ny setroka.

Any amin’ireo morontsiraka hafa eto Madagasikara, ary koa any Kaomoro, dia liana amin’izany teknika izany ireo vondron’olona ifotony. Afaka herinandro vitsivitsy dia hitarika fampiofanana feno momba ny fanamasahana amin’ny setroka aho, ary koa momba ny fanamboarana ny fatana-barika, any amin’ny helidranon’i Mahajamba. Nilaza ireo mpikambana anatin’ny Vezo Miray Nosy Barren, fikambanana mpiara-mitantana ny fari-dranomasina voaaro ao nosy Barren (any amin’ny 400 km any atsimo), fa ho avy hanatrika izany fampiofanana izany rehefa afaka. Mandra-piandry izany, hanatontosa horonantsary fampianarana ireo mpanjono avy ao amin’ny helidranon’i Mahajamba.

Amin’izao vanim-potoanan’ny valan’aretina COVID-19 izao, izay nametra ny fahafahan’ireo mpanjono mivarotra ireo vokatra any an-tsena, dia ahafahana mitondra vahaolana malaky ny fitahirizana ny trondro amin’ny fanamasahana azy amin’ny setroka. Mpanjono madinika an’aliny maro ao Madagasikara, ary maro lavitra maneran-tany, no ho afaka hanatsara ny fivelomany noho ireny teknika nohatsaraina ireny.


Jereo ny tatitra ara-teknika momba ny fanamasahana amin’ny entona, izay teknika ampiasaina amin’ny fitehirizana trondro.


  • Ny sary rehetra ato amin’ity “blog” ity dia nalaina talohan’ny COVID-19, talohan’ny nisian’ny fepetra momba ny elanelana eo amin’ny olona eto Madagasikara.

Posted by Joelson Anjaranirina Rakotoson

Leave a reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *